airtel

Actualités

04-août-2021

Actualités

Jean Nirina « Tsy nisy na inona na inona vitan’ny depiote Rossy »

Sample post image

Namaly bontana ny publication nataon’ny depiote Rossy tao anaty tambajotran-tserasera facebook Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly

04-août-2021

 manoloana ny fanakianana nataony mikasika ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika toy ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA izay tantanany. Nambarany fa ny tenany aza no nahavita betsaka tao amin’ny Boriborintany fahaefatra izay misy azy raha oharina amin’ity solombavambahoaka ity.
FITSIKERANA TSY MANDEHA AMIN’NY LAONINY
Mahavariana hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa izay manao eto amin’ny tany sy ny firenena ihany no henjehina. Anisan’ny ezaka nataoko hoy izy ny fanandratana ny maha-Malagasy ary mbola hotohizako hatrany izany ho reharehan’i Gasikara saingy ny mahavariana dia tsy zakan’ny sasany izany hoy izy. Anisan’ny antony nanakianan’ny depiote Rossy ahy izany hoy izy satria saribakolin’ny mpanjanantany Ingahirainy ka matahotra ny ho rava fihavanana amin’ny Frantsay. Tsy zakan’ny Frantsay hoy izy ny fanandratana ny maha-Malagasy indrindra fa ny fitsaboana nentim-paharazana nahitana ny CVO …. hahafahana miady amin’ny valan’aretina Covid 19. Nohamafisiny hatrany moa fa olom-pirenena manan-jo eto amin’ny taniny izy ary tsy ho any La Frantsa mandrakizay raha izay no olana fa aleony manasoa ny taniny.
TSY HIROTSAKA HOFIDIANA
Notsiahiviny hatrany fa tsy hirotsaka hofidiana ho sefom-pokontany na Ben’ny tanana na solombavambahoaka ny tenany. Na izany aza anefa hoy izy dia tsy manakana ahy tsy hanasoa ny mpiray tanindrazana amiko izany. Mponina ao anatin’ny Boriborintany fahaefatra ny tenako hoy izy ary miezaka hatrany manao izay ho vitako. Notsiahiviny manokana tamin’izany ny asa fanamboaran-dalana notanterahiny teny amin’iny digy Anosipatrana iny izay efa nahitany lozam-pifamoivoizana miisa 7 tamin’ny moto noho ny haratsian-dalana. Mbola ny tenako hoy izy no nitondra ireo mpitondra moto naratra tany amin’ny hopitaly raha tsy nisy hita ireo tena tompon’andraiki-panjakana hanatanteraka izany. Nisy ihany koa hoy izy ny asa fanadiovana notanterahina teny amin’iny faritra Anosipatrana iny ka nahafahana nanentana ireo mpanadio fiara eny an-toerana ho enti-miady amin’ny valan’aretina Covid 19. Fitiavana tsy ilana tambiny izany rehetra izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ary tsy niandrasana na iza na iza fa natao tamin’ny fo tokoa.

TSY NISY NA INONA NA INONA VITAN’NY DEPIOTE ROSSY
Nametra-panontaniana ny amin’izay mba zava-bitan’ny depiote Rossy tao amin’ny Boriborintany fahaefatra araka izany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Mihazakazaka avokoa hoy izy ny asan’ireo depiote voafidim-bahoaka rehetra hoy ny depiote Alain Ratsimbazafy voafidy teny Antsimondrano…. saingy mba aiza ho aiza amin’izany ity solombavambahoaka ity. Izay mahasoa ny faritra iadidiany sy nahalany azy araka izany no tokony hataony hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny hafa. Nomarihiny manokana moa fa tsy mahasakana azy tsy hanohana sy hanampy ny mpiara-belona ny famakiana ady aminy hataon’ity depiote ity. Novana nanomboka omaly moa ny loko famantarana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA izay lasa vonim-boasary. Mariky ny fanohananay ny mpitondra fanjakana izany hoy izy saingy tsy ilainay kosa ny solombavambahoaka Rossy. Mitohy hatrany araka izany ny asa fitsaboana tanterahin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy.
IREO TOERANA MISY NY FITRAMA
Ireto avy ny toerana ahitana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy : Alakamisy Fenoarivo eo amin’ny tsena ampitan’ny Cecam : 034 82 780 44 Ivato : 034 82 780 44- Diego, eo amin’ny le Scama akaikin’ny MAXIME : 0341661089 Fenoarivobe : 034 68 792 92 -Ambohimanarina, eo anelanelan’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe : 0347044308- FITRAMA Itaosy : 0342680250. F ITRAMA : 034 79 76721. FITRAMA Toamasina :0346440964. FITRAMA Toamasina Tanamakoa eo amin’ny barazy alohan’ny OTIV : 0346440964. FITRAMA Fianarantsoa II: 0347222869. FITRAMA Fianarantsoa II Antanandolo : 0347222869. FITRAMA Ambohimahasoa : 0343998040. FITRAMA Ambositra amoron’ny RN47, : 03420788 87. FITRAMA Ambatofinandrahana : 0342078887. FITRAMA Mananjary : 0345958130 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Antsohihy : 0340777975 . FITRAMA Toliara : 03431357 19. FITRAMA Toliara ihany saingy ao Andaboly : 0343135719. FITRAMA Ampanihy : 0343135719. FITRAMA Morombe :0343135719. FITRAMA Marovoay: 0346093854. FITRAMA Alatsinainy Bakaro : 0344325286. FITRAMA Manjakandriana : 0341420471. FITRAMA Moramanga: 0349047201. FITRAMA Ambatolampy : 0345604753. FITRAMA Antsirabe : 0348644008. FITRAMA Mahitsy : 0341337538. FITRAMA Ankazobe : 0347454064. FITRAMA Imerintsiatosika : 0342985042. FITRAMA Arivonimamo : 0343162120. FITRAMA Miarinarivo : 0340831838. FITRAMA Tsiroanomandidy : 0341257000. FITRAMA Morondava : 0347079995. FITRAMA Andramasina : 0345376962 . FITRAMA Anosizato Atsinanana : 0348278044. FITRAMA : 0346879292. FITRAMA Ankadindratombo : 034 09 840 70. FITRAMA Andoharanofotsy : 0348102943. FITRAMA Ambohimangakely : 0344681889. FITRAMA Ambohitrimanjaka : 0341789345. FITRAMA Imerimafovoany : 0342610515. FITRAMA Ankadikely Ilafy : 0340935341. FITRAMA Sabotsy Namehana : 0340935341 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Mahajanga : 0347670705. FITRAMA Ifanadiana Centre :0344005162. FITRAMA Fenerive Est : 0345615534. FITRAMA Brickaville : 0346396502. FITRAMA Ambatondrazaka : 0343046767 .
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap