Tsy mbola manana lafiny sarobidy azo iombonana ankoatran’ny fahantràna ny malagasy, hoy izy. Miverina na miainga any an-doharano hoy ny sasany. Miverina na miainga any ifotony hoy ny hafa. Miverina amin'ny maha malagasy koa heno matetika. Mipetraka ho azy ny fanontaniana. Loharano aiza sy loharanon'iza moa izany? Ifotony hatraiza ary miainga avy aiza eo amin'iza? Maha malagasy tahaka ny ahoana tokoa moa? Inona tokoa moa izay maha malagasy efa azon'ny rehetra itambarana izay? Iza no namaritra na mamaritra ary hamaritra izay hoe maha malagasy izay? Ny milaza azy fa avo razana ve sa ny be vava mahay miresaka sa ny faritra aiza tokoa? Ny be saina sa ny be sandry sa ny be basy sa ny be vola sa ny be voninahitra? Ny be fahefàna ve sa ny be vody sa iza marina tokoa? Ny lalan-tantara marina nodiavin'ilay firenena antsoina hoe Madagasikara dia mbola manjavozavo be. Azontsika an-tsaina ve fa nanomboka tany amin'ny taona 1500 na talohan'izay akory aza ka hatreo amin'ny taona 1859 teo dia mbola nanjaka ny jirik'olona sy ny varotr'olona tao amin'ny nosy Madagasikara? Olombelona malagasy amana hetsiny raha tsy aman-tapitrisany akory aza no voajirika ary namidy lasa any amin'ny varo-tsy mifody. Na ny fanjakàn'Andrianampoinimerina, izay be mpanindraindra, aza dia mbola tao anatin'ny fotoanan'ny jirik'olona sy varotr’olona. Ny hoe «Ny ranomasina no valamparihiko» dia, voalohany indrindra, nitadiavan'ny fanjakàna avy ao afovoan-tany moron-dranomasina hanondranana ny olona voajirika. Nandimby ny fanjakàna Sakalava nanao be izany jirik'olona sy varotr'olona izany ny tao afovoan-tany. Ny fanjakàn-dRadama I, Ranavalona I sy Ranavalona II koa dia mbola tao anatin'izay fotoanan'ny jirik'olona sy varotr'olona izay. Nony foana moa ny fividianana olona natao andevo teo amin'ny tany tandrefana rehetra dia niova endrika ny jirik'olona sy ny varotr'olona tao Madagasikara. Rahoviana ny Malagasy rehetra no hitambatra ary hanambara miaraka amin'ny feo iray fa foana ary ratsy ny fanandevozana avy amin'ny jirik'olona sy varotr'olona? Ary rahoviana koa ny Malagasy vao hanomboka hiara-hahatsiaro ireo olona ana hetsiny, na an-tapitrisany mihitsy, lasa any amin'ny varo-tsy mifody? Amiko dia izay ilay hoe miverina any an-doharano sy miainga avy any ifotony. Mitazona ny tsara azo iombonana ary manilika sy manameloka miaraka ny ratsy tsy fanao kanefa tsy fanadino. Miainga eo izany ilay firenena vaovao sy olom-baovao. Raha mbola tsy mitranga izay dia resabe tiana hatavy fotsiny ny sisa. Tsy ny fanjanahantany na ny fivavahana Kristianina na ny karàna na ny sinoa no naha toy izao an'i Madagasikara. Nanampy trotraka ireo fa tsy antony naha toy izao an'i Madagasikara velively akory. Ny marina moa hodiantsika tsy hita na afenina mihitsy aza no naha toy izao ilay firenena. Ilay diso nohamarinintsika ary ilay marina nodisointsika no naha toy izao an'i Madagasikara. Efa hatrany am-piaingàna tany Vohipeno fahagola mihitsy dia efa nisy sampona ilay fananganana firenena iray. Izay fahasamponana izay dia niteraka fahavoazana foana teo amin'ny ezaka rehetra hananganana ilay firenena iray tsy mivaky. Hatreto, mbola tsy firenena iray tsy mivaky izany i Madagasikara. Ny Malagasy dia tsy mbola manana lafiny sarobidy azony iombonana na ara-tantara na ara-kolo olona na amin'ny maha olombelona tsotra fotsiny aza. Tsy mbola misy kolo olona azo iombonan'ny avy any atsimo, ny avy any avaratra, ny avy any atsinanana sy ny avy any andrefana. Ny teny iombonana aza mbola misy lonilony be manodidina azy. Aza misy gaga hoe ny samy mandeha samy mitady no mahazo laka hatreto. Avy eo moa samy kofona sy samy mandady vao misy mody gaga sy misy mody gisa eo daholo. Hatramin'ito taona 2024 iainantsika ito dia mahavariana be fa ny tanjaka ara-politika dia mbola refesina amin'ny isan'ny babo sy resy an'ady. Malahelo aho milaza an'izay fa izay anefa ilay zava-misy tsy tokony hodian-tsy hita intsony! Samia tsara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Ny valan-javaboarin’i Tsimbazaza dia tsy toeram-pialan-tsasatra tsotra,
Toe-javatra mety mitranga ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny ray sy ny reny momba ny fitaizana ny zaza,
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
Nifarana ny kilalao tamina fahitalavitra tsy miankina iray, izay ana loholona iray eto Madagasikara
Ny 47%-n’ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa.