airtel

Actualités

18-janv-2022

Actualités

Jeneraly Herilanto Raveloharison Nodimandry teo amin’ny faha 64 taonany

Sample post image

Nodimandry omaly maraina ny général de corps d'armée, Herilanto Raveloharison, rehefa nivahiny 64 taona teto an-tany.

18-janv-2022

Efa minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana ity manamboninahitry ny zandarimaria ity ary isan’ireo nosokajiana ho manam-pahaizana na « cerveau », hoy ny fiteny azy, tao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny taona 2014 hatramin’ny 2018. Nivoaka tao amin’ny sekoly ambony iraisampirenena momba ny raharaham-panjakana ary ankoatry ny minisiteran’ny toekarena dia efa niandraikitra ny toerana maha minisitra mpisolo toerana teo anivon’ny minisiteran’ny angovo ko aizy. Efa minisitry ny tontolo iainana nandritry ny tetezamita ihany koa ny taona 2010 hatramin’ny 2012. Manana ny mari-pahaizana momba ny lalàna teny anivon’ny oniversiten’Antananarivo ary nivoaka teo anivon’ny sekoly ambony mpanofana ho mpitsara ihany koa. Efa filohan’ny komitin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena na CSI nanomboka ny 2012. Mpampiofana tao amin’ny sekoly ambony momba ny fitantanan-draharaham-panjakana na ENAM ary mpitarika velan-kevitra teo anivon’ny sekoly ambony momba ny lalana na ENMG. Ankoatran’izay dia mpisehatra mafana fo teo anivon’ireo fiangonana Kristianina zandriny ihany koa ny tenany. Mpitory teny sy mpitandrina teo anivon’ny fiangonana Foyer Evangélique International na FEICEP ary anisany nandray anjara tamin'ny fananganana ny fiangonana Finoana sy fanasitranana izy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra moa ny gazety Tia tanindrazana.

J. Mirija

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap