airtel

Actualités

25-juin-2024

Jirama

Ananan’ireo kaompanian-tsolika 1 444 miliara Ar

Sample post image

Misavovona hatrany amin’ny 1 444 miliara ariary ny trosan’ny mpamatsy solika amin’ny Jirama ho an’ny taona 2023.

25-juin-2024

Izany toe-javatra izany no nanosika ny fanjakana hanohy hanome fanampiana ara-bola ho an'ny orinasa nasionaly misahana ny rano sy ny herinaratra, raha nanazava ny fanintsiana ny tetibolam-panjakana na ny LFR 2024, ary nohamafisina tamin’ny fampahantarana ny fahazoana ilay 660 tapitrisa dolara avy amin'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny FEC sy ny FRD. « Raha ny tokony ho izy dia ny Jirama no mandoa ny trosany. Saingy fantatsika ny toe-bola misy ao amin'ity orinasa ity, izay tsy ahafahany mandoa irery ny trosany », raha ny fanazavan’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola. Mahatratra 793 miliara ariary no voatokana ao anatin'ny LFR hanefana ny trosan’ny Jirama. Ny trosa tao anatin’ny fifanarahana efa lasa izay tsy mbola nekena anefa io, fa mbola tsy tafiditra ny fifanarahana. Sahirana ary tsy mety manana fahamarinan-toerana ara-bola ny Jirama, ary tsy afaka manefa irery ny trosany, ka tsy maintsy miantso tosika avy amin’ny Fanjakana. Ny vola aloan'ny mpanjifa vidin’ny herinaratra dia ambany kokoa noho ny fandaniana ataony amin'ny asa. Ireo fandaniana amin'ny solika an'ny Jirama mihitsy no mavesatra amin'ny kitapom-bolany, raha ny firesaky ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Olivier Jean-Baptiste. Any amin’ny fiovana makany amin’ny angovo azo havaozina, mba hampihenana ny fampiasana solika amin'ny famokarana herinaratra eto Madagasikara hatrany no isan’ny làlan-tsaina nambaran’io Minisitra io fa vahaolana. Mampitodika ny sain’ny olona anefa ny mpitondra, fa tsy ny Jirama irery no orinasa mpamokatra herinaratra eto amin'izao tontolo izao miatrika olana ara-bola. Ao amin'ny tatitra vaovao nanadihady ny momba ireo orinasa mpamokatra herinaratra maherin'ny 180 ao amin'ny firenena mihoatra ny 90, dia nitatitra ny Banky Iraisam-pirenena fa ny 40% ihany amin'ireo orinasa mpamokatra herinaratra ao amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana ihany no mahomby ara-bola, hoy ny fanazavana. Raha lazaina amin'ny fomba hafa, ny 60% amin'ireo orinasa mpamokatra herinaratra dia tsy afaka manarona ny fandaniany sy ny fanompoana ny trosa, raha ny voalazan’io tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Na izany aza, efa zava-doza ny eto Madagasikara, izay vokatry ny famotehana maro lafy ny tsy fahaiza-mitantana. Nahoana isika no nanana ambim-bava sy tombony manodidina ny 60 hatramin’ny 100 miliara Ar talohan’ny 2009 kanefa izao bokan-trosa an’arivony miliara ?

Henjana ny fepetran’ny FMI eo anatrehan’ny tsy fahombiazana ka tsy maintsy handefa tatitra isam-bolana aminy ny jirama, tsy maintsy avoaka ampahibemaso ny fifanarahana rehetra nosoniavina, tsy maintsy alefa amin’ny FMI mialohan’ny novambra 2024 ny drafi-panarenana ny Jirama.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo

Card image cap
15-janv-2025

Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny

Card image cap
15-janv-2025

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara

Card image cap
15-janv-2025

Miha tery hatrany ny fahafaha-mivelona na fivelomana eto Madagasikara, indrindra, taorian’ny fidiran’ny

Card image cap
15-janv-2025

Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,

Card image cap
15-janv-2025

Efa kely sisa dia maherin’ny herintaona no nisian’ny ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy ambany.

Card image cap