airtel

Actualités

22-août-2022

Actualités

JIRAMA Nitombo avo 4 heny ny faktioran’olona sasany

Sample post image

Resaka fotsiny no betsaka raha ny mikasika ny vahaolana momba ny JIRAMA no jerena.

22-août-2022

Mitohy ny fikaikaikan’ny mpanjifa manoloana ny fidangan’ireo faktiora ao anatin’ny efa fitsitsiana ny herinaratra ampiasain’ny isan-tokantrano nefa mbola ampian’ny delestazy trotraka ihany koa. Tantara mitohy efa nandeha foana, hoy ny mpanao hatsikana, Gothlieb, nibabababa mihitsy fa mafy ity! Gaga avo 1000 heny mihitsy teo am-pijerena ny sarany asaina aloha ato anaty faktiora. Efa 3 na 4 volana izay tsy manao “auto relevé” na fanisana intsony . Nitovitovy teo ihany ny tarehimarika. Misy mpiasan’ny JIRAMA tonga ihany dia mijerijery sy manao “relevé” teo ihany izy . Fa ity faktiora volana aogositra ity dia avo 4 heny amin’ny nahazatra teo. Ny ao amin’ny tranon'i mamanay io. Mpatory aloha be. Fampiasana jiro tsy miova, delestazy eo ihany. Tsy maintsy ho any indray izany hanontany an'ity? Jiro tapaka misasakalina. Ato amiko indray ity. Na mizatra mitadidy ny toeran'ny fandrehetana sy famonoana jiro aza dia tratra foana. Ny anay koa misy mivadika moa. Maty alina be ilay jiro. Matory ny tena. Mifoha maraina fa mirehitra daholo kay. Tsy hay hoe tamin’ny firy no niverina? Zava-misy ka tantaraina! Mampitombo faktiora foana! Fa ilay vola aloha na izany aza mahagaga be, hoy hatrany i Gothlieb.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap