airtel

Actualités

09-août-2024

Jirama sy ny Fanjakana

Efa manao izay hisian’ny fipoahana ara-tsosialy !

Sample post image

Ny fanamafisana ny fitakiam-bola sy famolosana vahoaka mitombo,

09-août-2024

fa ny tolotra kosa mihena na eo amin’ny vokatra na eo amin’ny kalitao, hany ka toa zary lasa efa fanompana sy fanindratana vahoaka ankitsirano. Nanambara indray mantsy ny Jirama omaly, fa hitombo ny fahatapahan-jiro noho ny fiantombohan’ny vanim-potoanan’ny lohataona sy ny main-tany. Mbola fahatapahan-jiro bebe kokoa indray ! Hiampy ny fahatapahan-jiro mihodinkodina mandritra ny ora iray eo anelanelan’ny amin’ny 1ora tolakandro hatramin’ny 5ora hariva ho an'ny tambazotra iraisan’Antananarivo noho ny fidinan’ny famokarana angovo, raha ny seraseran’ny Jirama omaly alakamisy. Vokatry ny fidinan'ny haavon'ny rano ao amin'ny tohodranon’ny toby famokarana herinaratra avy amin'ny rano no antony. Ny fidinan'ny haavon'ny tohodranon'Andekaleka dia manodidina ny iray metatra, raha ny fanazavana. "Manomboka miditra amin'ny vanim-potoanan'ny maintany isika ary manomboka midina ny loharanon-drano ao amin'ny tohodrano famokarana angovo, ka voatery hampihena ny tosiky ny rano mankany amin'ny toby famokarana herinaratra mba hampitomboana indray ny haavon'ny tohodranon'Andekaleka, Mandraka ary Antelomita », hoy ny fanazavan’ny Jirama. Ity fomba fiasa ity no nambara fa tsy maintsy miteraka fidinana amin'ny famokarana herinaratra.

MBOLA HO ELA
Toa mbola lavitra ny fiafaran'ity olana ity ho an’ny mponina eto an-drenivohitra, eny iraisana manerana ny Nosy. Ny mponina misitraka herinaratra amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo dia mbola tsy tafarina akory amin’ny fahatapahan-jiro vokatry ny fahataran'ny famatsiana solika, kanefa dia efa miatrika indray fahatapahan-jiro vokatry ny vanim-potoanan’ny lohatataona, raha raisina amin’ity fanambaran’ny Jirama ity. Herinandro teo taorian’ny fampahafantarana sy fandrangarangana sazy ka hanasaziana 5% ny mpanjifa raha tara fandoavana faktiora no miseho izao. Mampiharihary fa ny tolotra miharatsy, tsy misy vahaolana, mihena ny vokatra,… fa ny vahoaka andrasana an-kendritohana handoarana ny paosiny.

FAMPANANTENANA POAKATY NO BETSAKA
Mandrak’ity ny androany, miharihary fa poakaty avokoa ireo kabary politika nampanantenana vahoaka fa hihenan’ny delestazy nanenjehana ny mpitondra tany aloha. Asa mbola tadidin’ny Filoham-pirenena ve ny seraserany mikasika ny IEM sy adihevitra nifanaovany tamin’ny fahitalavitra, nilazany fa efa fantany sy voafehiny ny fatran’ny angovo ilain’i Madagasikara ? Tahaka izany ihany koa ny fampanantenana 400MW hataony samirery ao anatin’ny 5 taona fa ny mpitondra tao anatin’ny 60 taona tsy nahavita afatsy 400MW. Tahaka izany ihany koa ny niantsoana ny vahoaka hanam-paharetana kely raha nandeha tany Andekaleka izy ny janoary 2022, ka nilazana fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy. Ireo tetikasa lehibe toa an’i Volobe, Sahofika, eny fa na ilay toby mandeha amin’ny masoandro miisa 47 hamokatra 50MW aza mbola samy mihisatra tsy hita tabilao !

HALALAO NY SEHATRY NY ANGOVO
Adihevitra mandeha ny hoe : vahaolana ve ny hanomezana ny Jirama ho an’ny tsy miankina ? Ny sazry mitranga ankehitriny, dia efa ny tsy miankina no mifehy ny famatsiana, fa ny Jirama mpitsinjara. Mividy lafo sy mivarotra fatiantoka, ka bokan-trosa. Mbola mandeha ihany koa ny mikimaky samihafa, ka tsy arakaraka ny vokatra omena ny Jirama ny vola takiana. Tsy ny fanomezana ny tsy miankina ny Jirama anefa no vahaolana, fa ny fiezahana ny hananan’ny Jirama fahaleovan-tena ara-pamokarana mba tsy hiankina amin’ny hafa, ary mila mirona any amin’ny angovo madio sy hazo havaozina izay tsy mahabe mason-karena toy ny mandeha amin’ny solika. Mila halalahana ihany koa ny fahafahan’ny tsy miankina mamokatra sy mivarotra ny vokany hisian’ny fifaninanana.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

10-sept-2024

Mamerina sy manamafy ny seraserany ny orinasa Jirama fa mihena ny rano ary tsy ampy ny

Card image cap
10-sept-2024

Hafatra voalohany amin’ny iraka ataon’ny masoivoho vaovaon’i Allemagne eto Madagasikara Atoa Oliver Knoerich

Card image cap
10-sept-2024

Efa maika saina eny Antanimora nanomboka ny Zoma 6 septambra teo ilay teratany vahiny vahiny

Card image cap
09-sept-2024

Ny sinoa indray no andrandrain’ny Fanjakana Rajoelina hitondra vahaolana eo amin’ny sehatry ny angovo,

Card image cap