airtel

Actualités

06-juin-2023

Actualités

JIRAMA - Tambajotran’ny herinaratra RIA

Sample post image

Hiverina amin’ny laoniny amin’ny zoma hono !

06-juin-2023

Tsy maintsy miditra ao anatin’ny tsy fahampiana, saingy tsy haharitra sy ho tahaka izao foana. Any amin’ny faramparan’ny herinandro, ny zoma na ny alakamisy izao dia tokony ho efa manomboka ny fampiasana ireo solika hiditra eto Antananarivo sy ireo Tanan-dehibe hafa”, hoy ny Tale Jeneraly Mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama Atoa Hery Tiana Rabarison. Nilaza noho izany ny Jirama fa vinavinaina hiverina amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina, farafahatarany amin’io alakamisy na zoma io. Mila 240MW eo ao anatin’ny fotoana maha be mpampiasa ny herinaratra, saingy tsy ampy 40MW na 30% eo satria sady tsy ampy solika no tsy ampy ny rano, raha ny fanazavana. 30% eo ho eo amin’ny famokarana ihany moa no amin’ny angovo azo havaozina ny antsika. Nambaran’io Tompon’andraikitry ny Jirama io, fa hatrany amin’ny famatsiana solika no nisy nikorotana satria nisy tsy fahatomombanana ny famindrana na “déchargement” , voatery nalefa niala ny faritr’i Madagasikara mihitsy ny sambo nitondra solika mba tsy hisian’ny loza. Dia tena resaka fahatarana na olana tamin’ny sambo fotsiny tokoa ve no niseho tamin’ny famatsiana solika ny Jirama izay tsy vao izao ny olana fa efa hatrany amin’ny volana aprily? Tena ny famatsiana no olana sa ny vola hividianana solika? Dia ahoana izany ny fitakian-trosabe 250 miliara Ar nataon’ny Tozzi Green izay nilaza ny 3 may fa hanapaka ny famatsiana raha tsy voaloa trosany hany ka voatery nitadiavam-bahaolana tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra? Ny volana jolay vao ho avy ny solika avy amin’ilay antso tolo-bidy iraisam-pirenena vao natao. Nanamafy kosa ny Minisitry ny angovo Solo Andriamanampisoa, fa ny toby mandeha amin’ny solika na “thérmique” no tena ampiasaina, tsy maintsy manao delestazy satria 4 kamio isan’andro no tafakatra aty Antananarivo nanomboka ny sabotsy, kanefa dia mila 10 kamio eo mba hialana amin’ny delestazy. Nampitombona noho izany ny mpitatitra ny solika. « Tsy maintsy mitsitsy rano, ary raha tsy asiana delestazy mihitsy dia na ritra ny rano, na ritra iray andro ny solika tonga dia maizina tanteraka na “black out” aorian’izay. Ezahina tsy haharitra be ny delestazy fa hajaina ny ora voasoratra amin’ny fampilazana », hoy ity Minisitra ity. Andrasana indray izany ny zoma taorian’ny fampanantenana maro tahaka ilay tamin’ny janoary 2022 hoe: afaka 6-8 dia ho foana ny delestazy. Ny olona aloha izao tena leo sy tofoka satria potika ny fihariana, simba ny famokarana, mihena ny vola miditra,… Asa mba hisy fiantraikany amin’ny faktiora ve ny delestazy lavareny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Anisan’ny tena manahirana ny tokantrano maro amin’ny ankapobeny ireo entana ilaina amin’ny fiainana

Card image cap
25-sept-2023

Nisolo tena an’i Madagasikara tany amin’ny Fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ara-indostria

Card image cap