airtel

Actualités

12-nov-2021

Actualités

“JIRO MAIZINA” Bokan-trosa 707 miliara Ar ny Jirama

Sample post image

Nampahafantarina omaly ny horonan-tsary novokarin’ny Tambazotra Malina mitondra ny lohateny hoe: “Jiro Maizina”, izay niarahany tamin’ny Tranparency International-Initiative Madagascar, Friedrich Ebert Stiftung,…

12-nov-2021

 Fanadihadiana lalina na « investigation » mikasika ny angovo io, indrindra fa ny orinasa Jirama. Ho an’i Madagasikara, mahatratra 7800MW eo ny herijikantsika hamokatra herinaratra, kanefa 2% monja amin’io no voatrandraka, 17% amin’ny Malagasy no mba misitraka herinaratra. Ho an’ny JIRAMA (Jiro sy Rano Malagasy) manokana, mena ny tondro! Naneho ny Minisitry ny angovo Atoa Andry Ramaroson ao anatin’io horonan-tsary io fa bokan-trosa ny Jirama, raha mbola manohy varotra faty antoka, dia tsy ho tafavoaka izany, ka mila manova ny “business model”. 707 miliara Ar ny trosa, raha ny tatitra ofisialy ny 2020 ka isan’ny olana ny fifanarahana. Tamin’ny faran’io taona io ihany koa no nisy ny fanamelohan’ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) ny Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha Atoa Désiré Rasidy sy ny Tale Jeneraly Lefitra Atoa Albert Marie Ravelojaona noho ny fanomezana vahana mpamatsy angovo tsy miankina,… Miankin-doha amin’ny tsy miankina, 30 any ny fifarahana fivarotana angovo amin’ny Jirama. Ahiana ny kolikoly toy ny: fanomezana tsenan’asa amin’ny famatsiana solika, isan-jato alaina amin’ny faktiora, ny “commissions”,… Toy izany ihany koa ny mety fidiran’ny politika satria tamin’ny 2018 ohatra, dia nisy orinasa amin’ny angovo namatsy kandida ho filoha. Misy ny fifanarahana tena mambotry toy ny hoe: 40MW no nifanarahana, rehefa miasa ny milina, zara raha mamokatra 15 hatramin’ny 20MW, kanefa ny 40MW ihany no hikajiana ny vola. Ny fifanarahana tamin’ny ENELEC (Energie Electrique) izay ao anatin’ny Vondrona Filatex, ohatra, dia nofaritana 32MW ny famokarana, kanefa zara raha namokatra 19MW ny ENELEC, kanefa mbola vidina 32MW ihany no aloha aminy, ka nahatratra 23 712 000Ar isan’andro no alohan’ny Jirama mba hividianana 32 000KWH amin’ny ENELEC,.... Ny an’ny Fanjakana sy ny Vondrona Axian izay misy ny orinasa Jovena mpamatsy solika tonga hatrany amin’ny fanapahana famatsiana noho ny trosa, saingy nanenjana tamin’ny “requisition” ka 18000 m3 no notakiana, izay filàn’Antananarivo ao anatin’ny iray volana. 150 tapitrisa dolara be izao isan-taona manome 80% amin’ny tetibolan’ny orinasa manontolo no atokan’ny Jirama isan-taona ho amin’ny solika hanodinana ireo “centrales thermiques”. Ahiana ihany koa ketrika avo lenta mety hanalefahana ny fidirana amin’ny “transition énérgétique”,…


Tafiditra ao anatin’ny horonan-tsarin’ny Tambajotra Malina ilay antontan-kevitra niparitaka ny 3 novambra teo, misy sora-bola 1,031 miliara Ar voalaza fa nifampizaran’ny mpitantana ny Jirama, saingy rehefa nanantona sy naka fanazavana tamin’ity orinasa ity izy ireo, dia mbola tsy nahazo valiny hatreto.
Legende: Nandritra ny fampahafantarana ny horonan-tsary “Jiro Maizina” novokarin’ny Tambazotra Malina omaly
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap