na solombody akoho ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano noho ny fahatongavan’ny Fetin’ny 26 Jona. Mihoatra ny 70 taona avokoa izy ireo hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona izay nosokafana tamim-pomba ofisialy tao amin’ny Kianja Maitso. Ireo mbola salama sy afaka nandeha no notolorana izany tao an-toerana omaly raha mbola hotsidihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ny ekipany any an-tokantranony kosa ireo tsy afaka mandeha lavitra intsony na tsy salama. Nambarany tamin’io andron’ny omaly io fa hisitraka izany avokoa ireo zokiolona manerana ny Fokontany 20 isa mandrafitra ny tanana hiadidiany. Betsaka ireo efa nisoratra anarana saingy nisy ihany koa ireo mbola taraiky fa tsy ho diso anjara mihitsy. Nitohy avy hatrany tany amin’ny Fokontany Ambohidrazaka sy Ambohitanety moa ny dian’ny Ben’ny tanana sy ny ekipany omaly maraina raha tao amin’ny Yandy By pass sy tao amin’ny Fjkm Ambodivondava kosa no namaranana izany omaly hariva.
Pati
Legende : Nafana tahaka izao ny fizarana ilay solombody akoho tao Alasora omaly !
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,