airtel

Actualités

06-avril-2022

Actualités

Kaominina Ambohibao Atsimo Hametrahana kianja maitso handinihina ireo asa fampandrosoana

Sample post image

Hiainga eny ifotony ny asa fampandrosoana hotanterahina eo anivon’ny kaominina Ambohibao Atsimo, distrikan’i Manjakandriana manomboka izao.

06-avril-2022

 Hatomboka amin’ny herinandro ho avy io ny asa fanamboarana ilay kianja maitso hahafahan’ny fokonolona mifampidinika sy mifanakalo hevitra raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Fidy Bariniaina. Taorian’ny fidinana nataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM tany amin’ity distrika iray ity mantsy mikasika ny fanamafisana ny fihavanana eo amin’ny samy vahoaka… dia nahatsapa ny Ben’ny tanana Fidy Bariniaina fa tena ilaina tokoa izany indrindra fa amin’izao vanim-potoana lalovantsika izao. Rehefa mifankazatra sy mifankahalala mantsy ny olona hoy izy dia zary mahay mifankatia sy mifampitaiza. Toraka izany koa hoy izy ny fanentanana mikasika ny fandoavan-ketra izay ilaina fifampitaizana ihany koa hahafahana manao ny asa fampandrosoana eo anivon’ny kaominina. Nomarihin’ny Ben’ny tanana Fidy Bariniaina moa fa anisan’ny tena hifolosan’izy ireo mafy amin’izao ny resaka fampandrosoana mahakasika ny filan’ny vahoaka antony hirosoany amin’ny fanamboarana ity kianja maitso ity. Rehefa manan-kevitra ny kaominina hoy izy dia mamory ny fokonolona hifampitafa aminy eo amin’ny kianja maitso. Toraka izany koa ny fokonolona izay hampiantso ny Ben’ny tanana rehetra manan-kevitra tsara ho enti-mampandroso ny tanana.
Pati
Legende : Atoa Fidy Bariniaina, Ben’ny tananan’ny kaominina Ambohibao Atsimo
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap
22-avril-2024

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

Card image cap
19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap