airtel

Actualités

17-mai-2022

Actualités

Kaominina Betafo Namoaka mpiofana informatika 392 isa

Sample post image

Niampy 152 ireo tanora mahay ny fototra amin’ny informatika hikirakirana solosaina ao Betafo, Faritra Vakinankaratra.

17-mai-2022

Andiany faharoa amin’ireo nisitraka fiofanana maimaimpoana nandritra ny telo volana izay nokarakarain’ny Kaominina ambonivohitra Betafo. Navoaka ofisialy ny sabotsy 14 mey teo izy ireo, mandrafitra ny andiany “FAHAZAVANA”. Ny Ben’ny Tanàna Randriatahinamalala Livasoa no tompon-kevitra ary niantoka ny fandaniana tamin’izao fiofanana izao. Naka finiavana hampanao izao fiofanana izao aho hoy ity Ben’ny Tanana ity satria “fantatro fa tena tsy azo hidovirana intsony amin’izao fotoanan’ny teknolojia izao ny fahaizana mikirakira solosaina na amin’ny fianarana na amin’ny sehatry ny asa. Dingana iray iny no vitan’ireto tanora fa kosa mamporisika azy ireo hanohy sy hanatevina ny fianarana izay azony”. Tsiahivina fa tanora 240 isa ny andiany voalohany efa nisitraka ity fiofanana informatika maimaimpoana ity, ary navoaka tamin’ny volana desambra 2021.
Jean D.
Legende : Ireo mpiofana informatika andiany faharoa
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap