airtel

Actualités

11-juin-2021

Actualités

Kaominina Ivato Namaly ny hetahetan'ny mponina ny filoham-pirenena

Sample post image

“Tsy misy Kaominina ho hadino amin'ny fampandrosoana intsony fa ny fiaraha-miasa no hitondrana ny fampandrosoana ho an’ny rehetra”.

11-juin-2021

 

 

Teny famerimberin’ny filoha Andry Rajoelina io tato ho ato. Tanteraka izany teny Ivato. Tonga teny amin’ity Kaominina vavahadin’i Madagasikara ity mihitsy ny filohan’ny Repoblika omaly, nanolotra fiarabe mpitaona fako sy dabam-pako ho an’ny Kaominina hanadiovana ny tanàna. Fampanantenana nataony nandritra ny fitokanana ny Kianja manarapenitra tao Mahitsy – Ambohidratrimo ny alahady 6 jona 2021 io. Hisitraka fotodrafitrasa maro ihany koa ny Kaominina Ivato toy ny sekoly, kianja manara-penitra ary gymnase araka ny fangatahan’ny mponina. Hanolo-tanana amin’ny fanavaozana ny Lapan’ny tanana ihany koa ny fanjakana ary hasiana fanamboarana ireo lalana izay feno lavadavaka. Tsy ijerena loko politika ny fampandrosoana. Mila miasa miaraka isika, mila miray hina, hoy i Andry Rajoelina. Ny mponina sy ny vahoaka no jerena koa na tsy mitovy firehana politika aza dia hiara-hiasa ny fitondram-panjakana sy ny fiadidiana ny tananan’Ivato mba hitondra fampandrosoana. Nojerena avy hatrany omaly ny fanamboarana tokony hatao amin'ny biraon'ny Kaominina Ivato niaraka tamin'ny Governoran’ny Faritra Analamanga Rasoamaromaka Hery.

 Jean D.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap