airtel

Actualités

19-juil-2022

Actualités

Kaominina Talatamaty Hatao rarivato avokoa ny lalana eny amin’ny Fokontany

Sample post image

Mihazakazaka ny asa fanamboaran-dalana ao anatin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

19-juil-2022

Raha araka ny nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic mantsy dia betsaka ireo lalana mampitaraina ny mponina fatratra tao anatin’ny 2 taona lasa izay. Noezahin’ny kaominina natao rarivato avokoa izy ireo, asa izay efa nanomboka tamin’ny 12 mey lasa teo. Tao Ampitazanana Amborimpotsy no nisantarana izany izay mirefy 285 metatra. Nitohy tao amin’ny Fokontany Fitroafana indray ny asa ny faran’ny herinandro teo raha efa eo an-dalam-pikarakarana ireo sisa mbola tsy vita ny kaominina. Nambaran’ity Ben’ny tanana ity hatrany moa fa saika hiompana any amin’ny asa fanamboaran-dalana sy foto-drafitrasa ny asa izay hosahanin’izy ireo manomboka izao taorian’ny nankalazana ny fetim-pirenena 26 jona lasa teo. Tafiditra ao anatin’izany ny tsena izay efa nokasaina hasiana rihina, ny sekoly.
Pati
Legende : Nandritra ny fanamboarana ny lalana tao Fitroafana
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap