airtel

Actualités

12-mars-2021

Actualités

Kaominina Talatamaty Hiompana amin’ny fanamboarana foto-drafitrasa

Sample post image

Betsaka ireo kaominina sahirana tamin’iny taona 2020 iny vokatry ny fandalovan’ny valan’aretina covid 19 teto amintsika.

12-mars-2021

 

 Tsy vitsy ireo tsy nahavita na inona na inona mihitsy antony hanaovan’izy ireny ezaka manokana manomboka amin’ity taona ity. Ho an’ny kaominina Talatamaty manokana raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny Rajaobelina Holisoa omaly dia hiompana amin’ny asa fanamboarana foto-drafitrasa izany. Efa mandeha ohatra amin’izany ny fanamboarana ireo fantsona fivoaran’ny rano maloto amin’ny tsenan’ny kaominina ho fitandroana ny fahadiovana sy ny fahasalaman’ny mponina. Miroso tahaka izany ihany koa ny asa fanamboarana ny paompin-drano eny anivon’ny fokontany hanalana fahasahiranana ny isan-tokantrano amin’ny filaharan-drano. Tsy latsa-danja amin’izany ny fametrahana herinaratra eny anivon’ny Fokontany hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Mikasika ny fampidiran-ketra manokana moa dia fantatra fa efa mahatratra hatrany amin’ny 75 % izany na dia mbola maro amin’ireo mponina aza no sahirana.

Pati

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap