airtel

Actualités

15-juin-2021

Actualités

Karieran’Andilana Avaratra Nampanantena ny hisokafany ny Minisitra

Sample post image

Nampanantena ny hisokafan’ny kariera any Andilana Avaratra ao anatin’ny fanarahan-dalàna ny Minisitry harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena

15-juin-2021

 stratejika Atoa Fidiniavo Ravokatra, nandritra ny fidinany tany Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo. Nisy rahateo ny fivoriana niarahan’ireo voakasika. Nanambara ny eritreriny hamoaka didim-pitondrana mamaritra ny fitrandrahana ity Minisitra ity. Miandry ny fitsanganan’ny vondrona na fikambanan’ny mpitrandraka ahafaha-miroso amin’ny dingana manaraka. Efa nisy rahateo ny fandavahana tao amin’ny kariera, izay iriain’ny olona ny hitohizan’ny fitrandrahana. Hanaovana tatitra ao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny dingana mialohan’ny didim-pitondrana mamaritra horaisina. Nisy ny fihaonana teo amin’ny governoran’Alaotra Mangoro sy io minisitra io, ary isan’ny noresahina ny hametrahana bokin’andraikitra. Raha nilaza ity Minisitra ity, fa ny fitantanana amin’ny fomba mahomby ny fitrandrahana no ahafaha-mampandroso ny firenena, dia naneho kosa ireo mpitrandraka fa vonona hanaja ny dingana sy ny fepetra rehetra hapetraka: tamberim-bidy na “ristournes”, fanajana ny tontolo iainana, zon’olombelona toy ny tsy fampiasana ankizy,… Afaka mifampiresaka sy mifandamina ihany koa nahoana no niditra tamin’ny vono olona sy fandatsahana aina vao tonga amin’izao ?

 

 Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap