Fiarovana sy Filaminana manerana ny Nosy, ka nosokafana ofisialy omaly 18 jona 2024 io. Nanokatra izany ireo manam-pahefana ambony eo anivon’ny tafika, ny zandarimarimaria, polisim-pirenena notarihin’nyny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin Minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala, ary ny Minisitry Delege misahana ny Zandarimariam- pirenena, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry, notronin’ny Minisitry ny Asa vaventy sy ireo tompon'andraikitry ny Fibaikoana rehetra. Natomboka tamin'ny fampisehoana fahaiza-manao niombonan'ny FDS ny lanonam-panokafana, ka nampisehoan'ireo mpandray anjara fahakingana samihafa toy ny amin'ny fanavotana takalonaina. Nisy ny fitsidihana fampirantiana mombamomba ireo Hery Fiarovana sy Filaminana, izay notarihin'ireo Minisitra. Nahitana ny Minisitry ny Foloalindahy. « Eo akaikin'ny vahoaka mandrakariva ny mpitandro filaminana, ka natao hanamasaka ny fifaneraserana sy ny fifandraisana misimisy kokoa izao kerimesy izao », hoy ny Minisitry ny fiarovana. Isan’ny hetsika mampitodika any amin’ny 26 jona, sy hanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena no sady fetin'ny Foloalindahy moa ity Kerimesin’ny tafika ity, izay azo handraisana anjara maimaimpoana ny fitsidihana sy ny fahatongavana eny an-toerana. Ny Faritra rehetra manerana an’i Madagasikara no miara-manao hetsika kerimesy toy izao, ho fiaraha-mifaly sy miravoravo, ary miombom-po amin'ny fankalazana, raha ny fanamarihana.
Toky R
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.