airtel

Actualités

24-juin-2022

Actualités

Kilalao andro fety Mampitaraina olona maro ny « laser » maitso

Sample post image

Lasa lamaody be amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao ny fampiasana ny laser maitso.

24-juin-2022

Betsaka ireo ankizy efa mampiadiady azy ireny araka izany eran’ny tanana raha vantany vao harivariva ny andro ka mampitaraina ny maro. Alefan’ireo ankizy tsy mahafehy izany any amin’ny mason’olona sasany mantsy ilay laser izay tena misy mahataka-davitra tokoa. Tena zava-doza ho an’ny fahasalaman’ny maso anefa ny fisian’ilay rayon havoakany iny hoy ny mpitsabo. Efa voasoratra eo amin’ny fonin’ilay laser mazava tsara kosa ny fampiasana sy ny fifehezana azy izay tokony arahina sy hajain’ny rehetra. Mikasika ny tsipoapoaka izay tsiahivina fa efa nahatorana olona ihany koa dia tsy fantatra fa tsy azo hapoaka eny akaikin’ny hopitaly, sekoly, ary birao fiasana izy ireny. Toraka izany koa eny an-tsena sy ireo toerana misy fampisehoana. Tsy voarara toy ny tamin’ny taon-dasa araka izany ny fivarotana azy ireny.

Tsara ho marihina fa nisy ireo sahy nitsilo ny filoham-pirenena tamin’ny Laser maitso nandritra ilay antsam-piderana goavana natao teny amin’ny kianjan’ny Barea ny alahady 19 jona lasa teo.Fahasahiana tsy roa aman-tany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap