airtel

Actualités

24-août-2022

Actualités

Kitapo sy “gourde” volomboasary Tsy nisy indostria afaka namboatra azy ve teto ?

Sample post image

Nangotraka ny adihevitra mikasika ilay kitapo sy “gourde” miloko volomboasary voalaza fa avy amin’ny Filoham-pirenena mivady,

24-août-2022

hozaraina ho an’ny mpizaika avy amin’ny tanora katolika na ny JMJ Mada andiany faha-10 hotanterahina any Antsirabe ny 30 aogositra-04 septambra 2022. Somary manalasala ny hino avy hatrany fa avy amin’ny Filoha manokana satria nampidirina ho raharaham-panjakana io, raha tarafina amin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 03 aogositra 2022 teo izay naneho tahaka izao: “Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola: Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny Fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny heratra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo kitapo hozaraina amin’ny tanora handray anjara amin’ny andro maneran-tany ho an’ny Tanora (JMJ) …”. Raharaha manokan’ny Filoha sa raharaham-panjakana? Vola manokan’ny Filoha mivady sa volam-panjakana? Izany eo ihany, fa ny tena mba manitikitika ny saina dia ny hoe: tsy azo novokarina teto Madagasikara ve ireo fitaovana 30000 isa ireo fa tsy maintsy nafarana avy any ivelany? Misy orinasa mahavita manamboatra tahaka an’ireny eto. Mba manome asa ho an’ny orinasa eto an-toerana, tsy mamoaka vola vahiny, manome aina ny toekarena,… Isan’ny ahafaha-mandrefy ny fahaiza-mitantana, ny fitiavana ny tanindrazana sy ny mpiara-belona ao anatin’ny mpitondra ny endri-javatra tahaka izao. Toa zary efa fomba fiasan’ny Filoha ankehitriny sy ny Fanjakana tarihiny moa ity manafatratrafatra isaky ny mihetsika ity. Sambo 20 mitondra PPN na entana ilaina andavanandro ireharehana, nisy olana ny taksibe tamin’ny resaka saran-dalàna dia hanafatra bus be 1000 isa,… Mbola antendro-molotra hatreto ilay hoe: izay zavatra azontsika vokarina eto, dia hovokarintsika fa tsy hanafatra. Milaza fa tompondakan’ny fampiroboroboana ny indostria kanefa ny indostria eto aza toa atao valalan’amboa ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap