airtel

Actualités

18-févr-2021

Actualités

Kitoatoa eo anivon’ny Jirama Hanapaka fanampiana ny Banky iraisam-pirenena

Sample post image

Niparitaka omaly ny taratasy mitondra ny datin’ny 16 febroary 2021 avy

18-févr-2021

 

 

  

amin’ny Banky iraisam-pirenena miantefa amin’ny Minisitry ny toekarena sy ny tetibola Atoa Richard Randriamandranto. Misy dika mitovy ho an’ny Praiminisitra, Minisitry ny angovo,… Taratasy toa vara-datsaka ho an’ny fitondram-panjakana Malagasy. Maneho amin’ny ankapobeny ny tsy fanajana ny fepetra ahafahana misitraka tohana ara-bola kizy ity. Nisy ny fifampireshana ampitain-davitra teo amin’ny mpitantana ny Jirama sy ny Banky iraisam-pirenena ny 26 janoary nandinihana ny fampiharana ny sarany vaovao apetraky ny Jirama izay nankatoavin’ny “ORE”, izay mifandraika amin’ny “Financement à l’appui des politiques de développement pour la riposte à la pandémie de covid-19 à Madagascar” izany hoe karazana tohana ho fiatrehana politikam-pampandrosoana sy hanoherana ihany koa amin’ny coronavirus ary mifandraika amin’ny angovo, izay hatrany amin’ny 75 tapitrisa dolara. Tanjona tao anatin’io fikaonan-doha io, hoy ny Banky iraisam-pirenena ny fifanakalozana momba ny fepetra raisina ho an’ny jirama, izay mifandraika tamin’ny fehin-kevitra tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 20 janoary 2020. Nisy avy eo ny fanomezana fe-potoana 48 ora ny Jirama hanitsy ny faktiora satria notsaraina ho midangana noho ny fampiharana ny vidiny sarany vaovao(…). Ny 04 febroary, raha tokony ho taratasy ofisialy miresaka ny fandalinana (analyse) no nomen’ny jirama, dia fampahafantarana mombana fanintsiana vonjimaika misy voka-dratsy betsaka, tamin’ny alalana hafatra “e-mail” tsotra no nomena ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny zavatra efa natao, tsy misy fanazavana mafonja na momba ny fepetra vonjimaika, na ny fiantraikany ara-bola…

HIHEMOTRA NY BANKY IRAISAM-PIRENENA…

 Manahy ny Banky iraisam-pirenena amin’ny tsy maintsy hilazany ny maha tsy mahefa tsy manana fahafaha-manao (non-performance) ho an’ny governemanta Malagasy eo anatrehan’ny zavatra tsy maintsy ataony, ary eo ihany koa ny fanitsakitsahana ny andininy faha-3 amin’ny fifanarahana momba io famatsiana ara-bola ny programa io. Ny tsy fanatanterahana ny programa niaraha-niresaka sy ny fepetra, dia midika sy hitarika mankany amin’ny fanambarana ny fanapahana ny fifanarahana ara-pamatsiana ara-bola 75 tapitrisa dolara, raha haravona ny voalazan’ny Banky iraisam-pirenena. Nambaran’io rafitra ara-bola maneran-tany io, fa ny fihemorana amin’ny politika amin’ny saran’ny angovo efa napetraka tao anatin’ny tohana ara-bola, dia mitarika azy ireo hanaisotra ny fanolorana ny programa eo anatrehan’ny Filankevi-pitantanan’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny « année fiscale » 2021. Karazana fahafaham-baraka sy mampiharihary ny tsy fahaiza-manaon’ny mpitondra Malagasy ny toy izao, ary mety hisy fiantraikany maro.

 

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap