airtel

Actualités

19-mars-2021

Actualités

Kohen Rivolala sy ny Covid 19 « Hisy korontana eto raha mbola hahiboka ny vahoaka »

Sample post image

Nilaza ny heviny mikasika ny valan’aretina Covid 19 izay mahazo vahana eto amintsika Kohen Rivolala

19-mars-2021

 

 

 

 mpitarika ny antokom-pinoana Hebraika Jodaisma sady filoha mpanorina ny antoko CCDM ( Ctic Ctac Dou an’i Madagasikara) omaly. Nambarany tamin’izany fa zava-doza ho an’ny firenena ny fanaovana fihibohana toy ireny teo aloha ireny. Tsy misy ora fivoahany mantsy ny viriosy hoy izy fa amin’ny fotoana rehetra noho izany tsy nety ireny tamin’ny herin-taona ireny. Ho an’ny firenena any ivelany manokana hoy izy raha mihiboka izy ireny dia manatitra sakafo ho an’ny isam-baravarana ny Fitondram-panjakana fa ny antsika kosa mifanohitra amin’izay no sady hanamaro isa ny zaza teraka fotsiny satria tsy misy hatao ny olona. Vahaolana arosony ho an’ny fanjakana araka izany ny tokony hizarana maimaim-poana ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka ny fanafody iadiana amin’ny COVID 19, tsy an-kijery antoko politika toy ny MAPAR na ny TIM…. Toraka izany koa ny hamondronana ireo manam-pahaizana rehetra ary vatsiana vola fa tsy hajanona amin-dRatsimamanga irery ihany. Na izahay koa aza mantsy hoy Kohen Rivolala dia manana fanafody iadiana amin’ny coronavirus. Notsiahiviny moa fa hisy korontana eto amintsika raha mbola hahiboka ihany ny vahoaka, indrindra manoloana izao fahasahiranana lalovan’ny tsirairay izao.

Pati

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap