airtel

Actualités

19-juil-2022

Actualités

KOHEN RIVOLALA « Tafiditra anaty krizy tanteraka isika »

Sample post image

Tsy misy diso ny faminaniako mikasika ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika hoy Kohen Rivolala, filohan’ny antoko politika Ctic Ctac Dou an’i Madagasikara no sady mpitarika ny fivavahana Jodaisma Hebraika etsy Ambanilalana Itaosy.

19-juil-2022

Tsy hiova mihitsy izany hoy izy raha tsy ny Filoham-pirenena no manapa-kevitra hiala amin’ireo karazana ozona ny firenena vokatry ny ody fady nataony. Tsy faly aminy ny tany hoy izy, tsy faly amin’ny filoha ny zava-panahy rehetra ary mbola tsy ahita vahaolana izy raha ireo mpaminanim-bazaha hatrany no hanankinany ny fony. Notsiahiviny fa taorian’ny haintany sy ny ranobe izay nanimba zavatra maro teto amintsika dia hiditra amin’ny krizy politika i Madagasikara ka ny krizy ara-tsosialy no hisantarana izany. Iaraha-mahalala tokoa ny zava-misy iainana ankehitriny. Taorian’ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia niakatra ny vidin-tsolika. Niakatra ihany koa ny saran-dalana taorian’izany, tranga izay niainana hatramin’ny omaly, tandindon’ny fipoahana ara-tsosialy. Miantso ny filoham-pirenena tsy hiziriziry amin’ny heviny araka izany i Kohen Rivolala fa handinika tsara ary hahay hisafidy izay olona hataony ho mpanolontsaina azy. Ho azy manokana dia tsy mitady seza izy raha araka ny fanazavany fa miteny sy mampahafantatra fotsiny ihany ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena. Nomarihiny moa fa tsy antoko mpanohitra izy ireo. Tsy mpomba ny fitondrana kosa anefa saingy miteny rehefa misy zavatra tsy mety ary mankasitraka rehefa misy vokatra tsara azo ka mety hahasoa ny vahoaka.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap