airtel

Actualités

25-nov-2021

Actualités

Kolikoly, fanjavonam-bola 320 tapitrisa Ar Nidoboka am-ponja ny Talen’ny Parc Tsimbazaza

Sample post image

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny Talen’ny Valanjavaboaharin’i Tsimbazaza na ny PBZT PBZT (Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza) Atoa Randrianirina Jasmin Emile.

25-nov-2021

 Niakatra fampanoavana teny anivon'ny fitsarana miady amin'ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ny alatsinainy 22 novambra 2021 ary nalefa vonjimaika any am-ponja taorian’izay. Fanodinkodinam-bolampanjakana na “Détournement de deniers publics”, fanomezana tombondahiny olom-pantatra na “favoritisme”, ary fanamparam-pahefana na “abus de fonction”,… no isan’ny vesatra hanenjehana sy iampangana azy. Ny 22 jolay 2021 no nanomboka ny fanadihadian’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) noho ny fitorohana ary nisy ihany koa ny fitsirihana nataon’ny IGE (Inspéction Générale de l’Etat). Nisy ny ahiahy, ary voalaza fa teo ihany koa ny fitarainana nataon’ny mpiasan’ny PBZT noho ny fitantanana tsy mendrika atao amin’izy ireo, ny fandroahana tsy ara-drariny, tsenan’asam-panjakana tsy manaraka ny fitsipika sy ny fepetra ara-dalàna,…. Naharay izany ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) izay rafitra mpiahy ny valanjavaboahary, ka nampiantso ny Talen’ny PBZT mba hitondra fanazavana eo anivon’ny Minisitera teo anatrehan’ny fitorohana samihafa, kanefa dia mbola nanohy ny fomba fiasany mamohehitra, hoy ny fanampim-baovao. Voalaza ihany koa fa nanjavona ny volabe 320 tapitrisa ariary natsofoka na “injection” natao tamin’ny tetibolan’ny PBZT mba hividianana sakafo ho an’ny biby, ary nilaza rahateo ny mpamatsy na “fornisseurs” fa mbola tsy voaloa vola, raha fanazavana. Raha ny fanazavana hafa moa, dia misy resaka filazana fanaovana iraka tany Andramasina, Antanifotsy, ary Antsirabe, tsenam-panjakana tsy nisy, tsena sy asa tsy misy akory,… kanefa dia amoaham-bola. Olona maromaro no niaraka voasaringotra ao anatin’ny raharaha, ka isan’izany ny “comptamble” sy ny “assistants comptables” roa, ny “assistant” an’ny Talen’ny PBZT, ary “fournisseur” na mpamatsy iray. 6 ireo olona nalefa teny amin’ny PAC ny 10 novambra 2021, ny 5 amin’ireo no niandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana noho ny fahazoana fahafahana vonjimaika, raha toa ka teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny Talen’ny PBZT, ary io nidoboka am-ponja vonjimaika io taorian’ny fiverenana teny amin’ny PAC.

MBOLA EO AM-PANDIHANA …
Mikasika ny raharaha Axian kosa, nilaza ny MESUPRES fa ny PBZT dia iray amin’ireo ivon-toeram-pikarohana eo ambany fitarihan’ny MESUPRES… Mijery ny fomba hampandrosoana sy hampivoazarana ity Ivon-toeram-pikarohana ity ny Minisitera, ka tafiditra ao anatin’izany ny fitadiavana fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka. Notsindriana fa miara-miasa amina mpiara-miombon’antoka maro na avy eto an-toerana na avy any ivelany ny PBZT ka isan’izany ny JICA (Japan International Cooperation Agency), MBG, Kew Garden,… ary eo am-pandinihana ny tolo-kevitry ny Axian ihany koa ny Minisitera kanefa ao anatin’ny fitazonana ny satan’ireo mpikaroka sy ny fahaleovantenan’ny mpikaroka, hoy io Minisitera io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap