airtel

Actualités

22-nov-2021

Actualités

Kominina Maroalopoty Faritra Androy Avotra ireo zaza varira 2 saika hamidy

Sample post image

Vevihavy iray nitady mpanam-bola hividy « zaza varira » na « zaza bobo » no ahahalalantsika azy aty afovoan-tany ary « enfant albinos » amin’ny teny vahiny,

22-nov-2021

 tao amin’ny Kaominina Maroalopoty ao anatin’ny Faritra Androy. Vehivavy iray avy any Amboasary atsimo io tonga nitady "patron "hividy zaza varira io, ka tonga tao Ambovombe Androy ny zoma 19 novambra 2021, raha ny fanampim-panazavana. Rehefa nahafantatra io ilay olona natsoin’ity Farany dia tonga nanantona ny Commandant Groupement Androy, ka nilaza ny zava misy. Teo no nanao ny vela-pandrika ny zandary ka tra-tehaka ilay vehivavy sy lehilahy roa hafa mpiara-miasa aminy. Nanontaniana izy ireo hoe aiza ilay zaza varira amidinareo io? Namaly izy hoe any Maroalopoty distrika Ambovombe mo misy azy. Nidina tany an toerana ny zandary ka nijery ilay zaza. Zaza varira 2 izay 07 taona ary 21 taona ireto Saika hamidy ireto rehefa nojeerena ifotony. Nentina namonjy ny Borigady Ambovombe Andro avy hatrany ireo zaza varira sy ny Ray aman-dReniny ary ny vavolombelona hatao fanadihadihana. Natao ihany koa ny fanadihadihana mikasika ilay olona 3 nitady mpanam-bola hivarotana ireo zaza varira, ka teo no nahafantarana fa ao Amboasary Atsimo Faritra Anôsy ny naman’izy ireo hafa. Olona miisa efatra izany no tompon’antoka tamin’ity "tentative d’enlèvement et vente d’enfant albinos" na fikasana haka an-keriny sy hivarotra zaza varira ity tany amin’ny Faritra Atsimo ity. Notazomina ao Amboasary ireo olona ireo ary "enquête mixte " no atao ka ny Groupement Androy sy Anosy no misahana ny fanadihadihana. Anio alatsinainy 22 novambra kosa no atolotra ny fampanohavana ao Taolagnaro ity raharaha resaka zaza varira ity. Mbola baraingo hatrany hatreto ny hoe: inona marina moa izany no ilàna ireo zaza varira, fa mbola misitera tahaka ny resaka halatra taolam-paty na koa halatra taova ihany. Matetika mikatso sy vitavita ho azy eny ny fanadihadiana ka asa hoe: hanao ahoana ity indray mitoraka ity?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap