airtel

Actualités

18-mars-2022

Actualités

Koweit Vehivavy Malagasy 52 nampidirina am-ponja

Sample post image

Tafakatra 52 isa ireo vehivavy sy renim-pianakaviana Malagasy miasa any Koweit no nampidirina am-ponja vonjimaika any an-toerana.

18-mars-2022

 Noho ny tsy fananan’izy ireo taratasy mazava hahafahany mijanona any an-toerana intsony no anton’izany. Misy ihany koa ireo efa noroahin’ny mpampiasa azy hatramin’ny ela ka tsy manana saran-dalana hodiana….Raha araka ny fantatra anefa dia tsy mahazaka olona afa-tsy 2 isan-kerinandro ireo fiaramanidina avy any an-toerama mody eto an-tanindrazana hany ka mahatsiaro mijaly fatratra izy ireo. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny olana mianjady amin’izy ireo araka izany izy ireo. Raha hiandry toerana roa isan-kerinandro mantsy izy ireo vao tafody eto an-tanindrazana dia mety hahatratra amam-bolana maro vao tapitra tafaverina eto an-tanindrazana avokoa. Raha araka ny fantatra moa dia misy amin’izy ireo no efa tsy salama ka mangataka fanampiana sy tolo-tanana toy ny fandefasana fiaramanidina manokana mba haka sy hitatitra azy ireo.
Pati
Legende : Mafy ho an’ireo vehivavy Malagasy miasa any amin’ny tany Arabo toa an’i Koweit ny miverina eto amintsika
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap