airtel

Actualités

09-nov-2021

Actualités

Laboratoaran’ny asa vaventy Kasaina havadika ho orinasa tsy miankina

Sample post image

Nanomboka nitokona teo an-tokontaniny tetsy Alarobia omaly vao maraina ireo mpiasa eo anivon’ny laboratoara nasionaly momba ny asa vaventy na LNTPB

09-nov-2021


. Ireo miisa 4 arantirantinay amin’ny sora-baventy ireo no tena marary, hoy izy ireo, fa mbola misy maromaro. Tsy nahitam-bahaolana ny fifanatonana tamin’ireo lehibe mpampiasa. An-dalam-pahasimbana ny orinasa. Mikasa hamadika ny orinasa ho tsy miankina ny mpampiasa. Orinasa mifampiankina amin’ny minisiteran’ny asa vaventy ny LNTPB. Orinasam-panjakana! Mampiakatra araka izay tiany ny mpifaninana ry zareo mba tsy hisian’ny mpanjifa hanatona ny LNTPB. Tsy miafina intsony amin’ny mpiasa ny toetra ratsin’ny mpampiasa. Isany ny fanaovana antsojay, indrindra, ireo tsy mitovy hevitra. Misy delegen’ny mpiasa lany tamin’ny fifidianana ny 4 oktobra nefa noroahana nialoha io lisitra io satria tsy mitovy hevitra amin’ny mpampiasa. Nisy delege lany niaraka tamin’io koa nametra-pialana ny 4 novambra. Misy koa ireo mpiasa hamoronana dosie hanenjehana azy. Hatramin’ny taona 2003 no efa nisy tsy fanarahan-dalana satria nisy ny fifanarahambe iombonana izay mahakasika ny tombontsoan’ny mpiasa rehetra. Tsy mbola misy tanteraka io na iray aza. Olona efa retirety ny tale jeneraly, izany hoe, efa niasa 7 taona tato ary efa fakana hevitra na “consultant”. Mbola eo izy nefa hatramin’izao. Miparitaka manerana ny nosy toa an’Ambilobe, Bas Mangoky, Faratsiho sy hafa be dia be ireto mpiasa ireto. Vatsiana ireny olona mandeha ireny nefa ankehitriny dia lazain’ny mpampiasa fa hananan-drizareo “reste en caisse” na vola noho izany ny mpiasa. 54 mianadahy izahay no enjehiny amin’ny lalana noho izany, hatramin’ireo efa retirety sy maty. Mitaky ny fanoloana ny mpitantana rehetra izay efa tokony ho retirety daholo izahay. Misy fividianan-javatra tsy mifanaraka amin’ny zavatra azo ato. Tsy ekena toy ny fikasana hamadika ity orinasam-panjakana ity ho tsy miankina izany. Hanananay porofo fa ny mpampiasa aza no hananan’ny mpiasa vola. 60 taona niainana ny LNTPB dia izao sisa no niafarany. Be ny volanay tsy voaloha any amin’ny minisitera any ka aloavy fa amina miliara izy any, hoy hatrany izy ireo. Manome 48 ora ny fitondram-panjakana moa ireto mpiasa ireto hamahana olana. Tsy mbola nety naneho hevitra moa ny tale jeneralin’ny orinasa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap