voalohan’ity taona ity, izay nisy fitomboana 150,1 miliara ariary raha oharina amin'ny taona lasa tamin'ny fotoana mitovy, raha ny tatitra. Teo amin’ny 1 943,0 miliara Ariary mantsy izany ho an’ny taona 2023. Mikasika ny fanafarana, misanda 11 835,2 miliara ariary na 2 648,3 tapitrisa dolara amerikana, ao anatin'izany ny asa ataon'ny orinasa afaka haba sy ny asa hafa tsy misy hetra. Nisy fihenana izany raha oharina amin'ny fotoana mitovy tamin'ny taona 2023, izay nahatratra 12 337,8 miliara ariary ny fanafarana na 2 819,5 tapitrisa dolara amerikana, araka ny tatitry ny ladoany Malagasy hatrany. Tsara ho marihina ihany koa fa 156,3 miliara ariary amin'ny hetra sy ny sara amin'ny fanafarana no nesorina tamin'ny alàlan'ny toromarika avy amin'ny Conseil nandritra ny fito volana voalohan'ny taona 2024. Na misy aza anefa ny endrika miabo amin’ny fampidiram-bola avy amin’ny fanondranana, dia mbola ambany ny fifandanjana eo amin’ny fanondranana mitaha amin’ny fanafarana ho antsika, ka antony iray isan’ny mbola maha mavain-danja sy mampitotongana ny vola ariary.
Isan’ny vokatra fanondrana mampiavaka an’i Madagasikara ny lavanila, ka raha ny tatitry ny Minisiteran’ny fampiroboroboana sy ny indostria sy ny varotra dia teo amin’ny 4400 ny fanondranantsika ho an’ity taom-panondranana ity, izay niakatra avo roa heny amin’ny tamin’ny taon-dasa izay 2000 hatramin’ny 2500 taonina teo.
Toky R
Sary fanehoana
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira