airtel

Actualités

07-juin-2021

Actualités

Lakana rendrika tao Salary Mpandeha 3 namoy ny ainy, 3 mbola karohina

Sample post image

Lakana iiray mpitatitra olona, mandeha milina, mirefy 8m ny halavany sy 0,70m ny sakany rendrika tany an-dranomasina ny sabotsy 5 jona 2021

07-juin-2021

 



 tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, tany amin’ny 2km manalavitra an’i Salary niaingany raha nikasa ho any Toliara. Araka fampahafantarana nataon’ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy na APMF dia nisy mpandeha 32 sy mpanamory 2 no tao anatin’ilay lakana, ka maty vokatry ny loza ny olona 3 tamin’izy ireo izay vehivavy 52 taona ny iray sy zaza 2 taona sy 3 taona. Vehivavy telo hafa, 20 taona ny roa ary 50 taona ny fahatelo tsy hita ka mbola karohina amin’izao fotoana izao. Voavonjy kosa ireo mpandeha miisa 28, anisan’izany ireo mpitondra ny lakana roalahy izay mbola tsaboina any amin’ny hopitaly. Ny fahavesarana tafahoatra sy ny fahapotehan’ny hazo fanary no voalaza fa niteraka ny loza.

Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap