airtel

Actualités

15-nov-2021

Actualités

Lalam-baovao Tsarasaotra Ivato Ritra ny reniranon'i Laniera

Sample post image

Maina ny tany. Izay no azo amehezana ny zava-misy miha mipaka manerana an’I Madagasikara amin’izao fotoana izao.

15-nov-2021

 Miandry ilay orana voatr’olombelona ho alatsaka any amin’izy ireo izany amin’izao fotoana izao ireo mponin’I Fianarantsoa. Tamin’ny herinandro teo moa no nampahafantatra ny faharitan’ny rano any an-toerana ny avy eo anivon’ireo sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia namaly izany ny fitondram-panjakana ary nilaza fa handatsaka orana voatr’olombelona na artifisialy any an-toerana ary dia mbola tsy afa-po fa miandry hatrany moa ny any an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray. Tsy ny any amin’ny faritra ihany fa hatraty anivon-tany koa ankehitriny ity hain-tany ity. Ritra koa ny renirano sy tanimbary hatramin’ny lavadrano, araka ny efa nambara teto, any Andranovelona Ilafy sy ny manodidina any. Hita ny sabotsy teo koa fa ritra ny reniranon’I Laniera eny amin’iny lalam-baovao Tsarasaotra Ivato iny.
J. Mirija
Legende: Ny paozin’ny reniranon’I Laniera hita ny sabotsy teo
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap