ireo taranak'i RAZAFIMANANTSOA, RAKOTONDRAVAO sy RAFALIMANANA manoloana ny resabe tato ho ato izay na tamin'ny tambajotra serasera izany na tamin'ny haino aman-jery isan-karazany ka nilazan'zy ireo mazava fa izy ireo no tompon’io tany voalaza io. Ny taratasy am-pelatananay ihany no manan-kery ary ireo izay nifanaraka taminay irery ihany no tompon'io tany io taty aoriana hoy ireto taranak'i Razafimanantsoa, Rakotondravao ary Rafalimanana ireto.
NOVIDIANA NY TAONA 1957
Nampatsiahy izy ireo fa tany am-boalohany, io tany io izay nitondra ny titre n°2838 dia novidian’ny razambeny tamin’ny “Compagnie Coloniale de Madagascar” tamin’ny taona 1957. Ary niova ho titre n°1599-H antsoina hoe « ANOSILAVA » taorian’ny fanoratana azy teo anivon’ny Sampan-draharahan’ny Fananantany. Nataon’ny Fanjakana malagasy “expropriation” ny ampahan’io taniy io izay mirefy 168 Ha tamin’ny 05 jona 1973 ka tafiditra tao anatin’ny titre n°5743-H antsoina hoe « ANOSILAVA DOMAINE ».
NAVERINA TAMIN'NY TOMPONY NY TANY
Taty aoriana rehefa tsy tanteraky ny Fanjakana ny votoatin’io “expropriation” io dia nanao fangatahana teo anivon’ny Fitsarana ireto tompon'ny tany ireto mba hamerenana ny tany amin'izy ireo. Nahazo rariny teo anivon’ny Fitsarana izy ireo koa dia nivoaka ny didy amin'ny hamerenana manontolo ny ampaha-taniny izay tafiditra ao anatin’ilay titre n°5743-H antsoina hoe « ANOSILAVA DOMAINE » io. Natao izao fanambarana izao, hoy izy ireo mba ialana amin'ilay savorovoro lasa manakorontana saim-bahoaka noho ny vaovao diso miely momba ny tany eny Laniera Tsarasaotra. Raha fintinina izany ny resaka dia ny taranaky ny tompon'ny tany ara-dalàna no nivarotra ny tany tamina olon-kafa dia efa io olona io indray no tompony ara-dalàna ka mampiasa ny tany araka izay itiavany azy.
Nangonin'i RTT