airtel

Actualités

28-nov-2022

Actualités

Lanonam-panjakana tao Manakara Tsy tazana hatrany ny Depiote Brunelle

Sample post image

Lanonam-panjakana maro sosona no niseho tany Manakara ny sabotsy teo, fotoana nahitana ny Filoham-pirenena niseho vahoaka ampahibemaso indray rehefa tsy hita nandritra ny fotoana naharitra.

28-nov-2022

Saika tazana tany an-toerana avokoa ny ankamaroan’ireo manampahefana ambony avy any amin’iny faritra Vatovavy Fitovinany iny, nahitana filohana andrim-panjakana, loholona,… Isan’ny fanamarihan’ny rehetra kosa no tsy naha teo ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa. Matetika no hisian’izany ka mampametra-panontaniana hoe: izy ve no tsy te hanotrona noho ny fanaovana zanak’Ikalahafa an’Ikongo izay nahavoafidy azy sa ny olon’ny fitondrana mihitsy no tsy mahazoazo azy. Tsaroana tsara mantsy, fa isan’ny efa namaly bontana azy ny Filoham-pirenena tamin’ny fanakianany fa tsy ny teleferika no maika raha alahatra ny tokony ho laharam-pahamehana fa ny làlana hampifandray ny distrika rehetra. Niainga tany amin’ny raharaha fizarana ny faritra Vatovavy Fitovinany no toa nailika an-tsisin-tosy ity depiote ity, izay tsy misorona eo anatrehan’ny fahitany zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, ka toa tsy hitiavan’ny mpitondra sasany azy. Maromaro moa ireo zavatra notokanana sy nampanantenaina hatao ny faran’ny herinandro teo tao Manakara. Vita ary notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny fomba ofisialy omaly alahady 27 novambra 2022 ny tetezana ao Manakarabe. Mirefy 152,40m izy ity, izayy mampifandray an’i Manakara sy Manakarabe. Ny taona 2012 fotoanan’ny tetezamita no nihotsaka sy nirodana vokatry ny fandalovan’ny fiara be diso navesatra loatra ny entana, ary izao vao tafarina. Ankoatra an’ity moa, nisy ny fitokanana fotodrafitrasa hafa sy fametrahana vato fototra, fa isan’ny nampanantenaina ihany koa ny hanohizana ny fanamboarana ny Hopitaly manara-penitra ao Manakara. Io izay natomboka tamin’ny 2012, kanefa tsy vita hatramin’ny farany, hany ka nihasimba am-pitoerana teo. Nampanantena indray i Andry Rajoelina fa dia ho vita amin’ny faran’ny taona ity hopitaly ity. Akaiky ny propagandy, ka miezaka ny mihetsiketsika sy manao fampanantenana hatrany. Napetraka io omaly io ihany koa mantsy ny vato fototry ny fananganana oniversite manara-penitra ao Manakara, izay nambara fa ahitana “Amphithéâtre” iray sy efitrano fianarana maromaro manara-penitra.

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap