airtel

Actualités

18-mai-2022

Actualités

Lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka “Tsy nanan-tsafidy izahay”, hoy ny zandary

Sample post image

Tovolahy iray antsoina hoe Andry no namoy ny ainy vokatry ny ratra sy vono an-tsitra-po nahazo azy izay nataon'ny vahoaka maro tao amin'ny Distrikan'i Betafo.

18-mai-2022

Araka ny fanazavana navoakan’ny Groupement de la gendarmerie Vakinankaratra, very finday ity tovolahy ity ka nisy olona nahiahiany naka izany. Avy hatrany izy dia roso nikaroka ny olona noheveriny naka ny findainy tamin'ny toerana iray any Betafo ary niaraka tamin'ny vady aman-janany. Nandalo lehiben'ny fokontany sy ny kartie mobily izy mba hikaroka ny tranon'ilay antsoina hoe Bruno. Rehefa hitany ity olona naka ny findainy ity dia nentiny nanaraka azy ho eny amin'ny biraon'ny polisy. Navadiky ny fianakavian'i Bruno ho fakana an-keriny anefa izany ka nifanenjehan'ny fokonolona izy. Zandary roa lahy sendra namita iraka tsy lavitra no tonga sy niatrika izany ka niantso ''renfort" rehefa nahita fa nibosesika ny vahoaka. Tonga haingana araka izany ny fanampiny avy ao an-toerana sy Antsirabe. Niezaka ny mpitandro filaminana nandresy lahatra ireo vahoaka an -jatony, izay tsy mahalala akory ny anton-javatra ny ankamaroany, mba hampijanonana ny fikasihan-tanana sy fandatsahan'ain'olona. Efa voahodidina vahoaka an-jatony maro anefa ireo mpitandro ny filaminana ary efa nanomboka nanimba ny fiaran'ny zandary izy ireo. Novakian'izy ireo tamin'izany ny kodiarana roa. Naneho ny zandary fa niezaka niaro ain-dRatompokolahy hatrany izy ireo tamin'izany saingy nalain'ireo vahoaka feno hatezerana ankeriny tao anaty fiara izy ary efa voabahana sy tsy afaka nihetsika intsony. « Azonay mpitandro filaminana natao tokoa ny nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tananay saingy noho ny hamaroan'ny olona sy ny maha maizina ny andro izay efa tamin'ny folo ora alina, ka mba tsy hisian'ny rà mandriaka sy ny fanimbana fananana dia tsy nanam-pidiny izahay nanoloana ireo vahoaka feno hatezerana vokatry ny fanomezana vaovao tsy marina », hoy ny zandary. Niantso ny rehetra hamotopototra tsara ny mpitandro ny filaminana, ary nampahatsiahy fa fandikan-dalàna ny fitsaram-bahoaka. Mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza sy ny ny fanadihadiana hahafantarana ny marina rehetra ary tsy maintsy hisy fepetra horaisina mahakasika ny zava-misy.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap