airtel

Actualités

30-déc-2021

Actualités

Lesoka nomarihin’ny SEG Niaro tena sy nanazava ny Lehiben’ny BNGRC

Sample post image

Isan’ny nanaovan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Serge Gellé fanamarihana ny BNGRC (Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindonin-doza)

30-déc-2021

 mikasika ny famonjena voina taorian’ny fianjeran’ny fiaramanidina nitondra azy ireo ny 20 desambra teo. Nambarany fa ny BNGRC tonga ihany fa tsy fantatny hoe adin’ny firy taoriana, hitanay ilay lampy, nisioka ilay namako mety ilay mécanicien io,… izaho somary avo feo aho. Hitanay ry zareo fa ny tsy nahenoany anay, tsy namono maotera, raha ny tena izy dia mitondra pagaille, mijery hoe mankaiza ny “courant”,… Mamono maotera, miantso,… Tokony ho 200m ny elanelanay fa tsy maheno ry zareo, izaho mieritreritra hoe ilay sioka no henony dia lasa izy, dia izaho izany ho tavela eto fa tsy hitan-dry,.... Nanao tatitra tamin’ny Minisiteran’ny Atitany satria asa io, tsy maintsy maka lesona isika, mila raisina kely ny ekipantsika ilay BNGRC satria ireny fahafatesan’ny namana ireny mba hanatsarana asa. Aza raisina ohatran’ny tsikera, fa izany no mampalahelo hay eto amintsika, ny olona milaza ny zavatra marina raisina ohatran’ny tsikera, ka tsy tsikera izany “constat” », hoy ny Jeneraly Serge Gellé. Nilaza kosa ny Tale Jeneralin’ny BNGRC Jeneraly Elack Olivier Andriankaja omaly, fa ny asan’ny BNGRC mba tsara ho fantatry ny rehetra, dia manana ny politika ankampobeny na GRC (Gestion des Risques et des Catastrophes) isika, ka mitarika hanana ny paikady nasionaly no asan’ny BNGRC. Ny manao ny fandrindrana ny asa rehetra izay ataon’ny mpiantsehatra amin’ny GRC no ataony. Voatonontonona ny BNGRC, mety nieritreritra ny SEG hoe: ny BNGRC no nakany, fa ny nataon’ny BNGRC dia naniraka ny olona nakany. Vao nitranga iny, dia niantso ny Filoha nanome baiko. Tonga ny APMF (Antokon-dRaharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-tanety), ny tafika Malagasy, ny CPC (Cord de Protection Civile)… ary no tanan-kavanan’ny BNGRC, hoy hatrany ny Jeneraly Elac Olivier Andriankaja.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap