airtel

Actualités

05-sept-2022

Actualités

Loza mahazo ireo varira Nanao antso vonjy iraisam-pirenena i Paolo

Sample post image

Nampaneno lakolosy i Paolo Raholinarivo Filohan’ny Fikambanan’ny tanora Malagasy miaro ny zon’olombelona sy ny demokrasia ary ny soatovina Repoblikanina eo anatrehan’ny halatra olona varira izay efa tena mivadika zava-doza eto amin’ny firenena.

05-sept-2022

“Olombelona tahaka ny rehetra ka tokony hitovy zo amin’ny rehetra. Mihorohoro andro aman’alina izy ireo ka misy fiantrikany amin’ny asany, ny fivoarany sy ny fitomboany manokana. Lainga ny hoe: ny varira atao sorona dia ahazoana volamena, fa ny omby ihany no atao sorona. Ao Amboasary misy tratra dia hoe: misy mpanao politika, hono, miaro azy, naheno izy fa atao sorona hitazonana toerana ka ny fanjakana tsara tantana sy fanasoavana ny vahoaka no hijanona eo fa tsy izany”, hoy izy. Notsipihiny fa ny andininy faha-8 amin’ny lalàmpanorenana dia maneho ny zo hiaina, voaaron’izany daholo ny Malagasy. Voasokajy ho ao anatin’ny vitsy an’isa izay mila fiarovana manokana noho izy marefo, kanefa vao teraka hatramin’ny fahalehibeazana dia efa tratry ny fanavakavahana. Misy maka ny masony, misy mamono, misy manapaka ny tenany, misy mangalatra, mihorohoro,… Ny andininy faha-137 amin’ny lalàmpanorenana dia manery ny fitondrana Malagasy hanaja ny pitsopitsony iraisam-pirenena sy ny fifanarahana iraisam-pirenena rehetra momba ny fiarovana ny zon’olombelona. Mila ampiharina ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy, ny zo sivily, sosialy, ekonomika,… Misy ny didy aman-dalàna famaizana eto Madagasikara fa inona no tsy hampiharana azy? Misa ve ny “loi sur la torture” lalàna 2008-008, lalàna 2014-007 mikasika ny fanondranana olona,… Hanao inona ny CNIDH na ny Kaomisionina momba ny zon’olombelona ? Hanao inona ny CFM ? Hanao inona ny Biraom-pirenena momba ny ady amin’ny fanondranana olona izay ao amin’ny Primatiora no misy azy? Inona no fepetra fiarovana raisin’ny Fanjakana? Mba misy fanambarana ve nataon’ny Fiangonana ? Aiza ireo firaisamonim-pirenena miaro ny zon’olombelona ? Hiandry antsoina foana ve vao handray andraikitra manoloana ny zava-misy? Aiza ny fitokisan’ny olona ny fitsarana? Aiza ny mpitandro filaminana? hoy hatrany i Paolo Raholinarivo. Nahitsy noho izany I Paolo Raholinarivo niantso ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena hiditra an-tsehatra rehefa tsy handray andraikitra ny Fanjakana. Tena efa zava-doza ny zava-misy eto, ka miantso ny kaomisera ambony eo anivon’ny Firenena Mikambana, ny avy amin’ireo rafitra samihafa avy aty Afrika,…Tsy manameloka na iza na iza fa fanairana kosa I Paolo Raholinarivo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap