airtel

Actualités

15-sept-2021

Actualités

Madagasikara Feno 100 % avokoa ny fonja

Sample post image

Efa feno 100 % avokoa ireo fonja eto Madagasikara ankehitriny. Na ny toerana handrian’ny sasany aza mila tsy hisy intsony vokatry ny fahanterana sy ny fahateren’ny foto-drafitrasa

15-sept-2021

. Rehefa mivoaka ny fonja indray anefa ireo voafonja dia mbola hafa ihany koa ny olana miandry azy ireny sy ny fiarahamonina misy azy. Ho an’ireo tsy manan-kavana sy tsy manana antom-pivelomana mantsy dia lasa manita-tsaina hany ka mandripaka ireo manodidina azy. Miverina milona amin’ny asa fangalarana sy fanendahana ary fisolokiana indray izy ireny, antony mahatonga ny voafonja iray hiverina matetika any am-ponja. Nitady vahaolana mifandraika amin’izany ny Ministeran’ny Fitsarana ka fantatra fa hisy ilay tetikasa entina hanomezana asa ny voafonja. Izay rehetra mahavita ny saziny na nahazo fahafahana dia omena asa amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompiana mba tsy hahavery hevitra azy ireny ka hitarika azy hanaotao foana. Ireo lehilahy no tena voakasik’ity tetikasa ity amin’ny ankapobeny.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap