airtel

Actualités

18-févr-2022

Actualités

Madagasikara Hisokatra tsikelikely ny sisin-tany

Sample post image

Mandeha ny fanitarana tsikelikely ny fanokafana ny sisin-tanin’i Madagasikara. Nanambara ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny mety ho toetry ny andro fa mihetsika amin’ny fihaonana sy fifampidinihana teknika

18-févr-2022

 amin’ireo sehatra samihafa sy firenena voakasika, momba ny fanitarana ny fisokafan’ny sisin-tany tsikelikely, izay tombanana hihatra amin’io volana ho avy io. Ny 11 febroary, nisy ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro sy Ambasadaoro Maorisianina eto Madagasikara. Nisy ny teboka nivoitra, ka isan’izany ny fepetra takiana ho an’ny firenena rooa momba ahafaha-manokatra ny sisin-tany. Tsara ny manamarika sy nampahatsiahy, fa nakatona ny 17 novambra 2021 noho ny valanaretina covid-19 tatsy Maorisy, saingy mbola nisy ihany ny sidina vitsivitsy nandeha. Ankoatra amin’ny dinika tamin’ny Maorisianina, eo ihany koa ny fikaonan-doha ara-teknika mitohy hatramin’izao amin’ireo Kaompania toy ny Ethiopian Airlines sy ny Air Mauritius izay manana anjara ao anatin’ny fisokafan’ny sisin-tany. Mandeha ny fandinihana mifototra amin’ny fanamafisana ny fepetra momba ny fanaraha-maso ara-toekarena, ny antoka eny amin’ny seranam-piaramanidina, ny fepetra ara-pahasalamana,… izay iarahan’ireo sehatra voakasika ahitana ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny ACM (Aviation Civile de Madagascar). Mikasika ny fisokafan’ny seranam-piaramanidin’i Madagasikara, ny sidina ara-barotra ho an’i Nosy Be no voalaza fa isan’ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana. Ankehitriny, fa afaka mandray sambo goavana mpitondra mpizahatany mitety tany na « Bateaux de croisière » i Nosy Be, raha ny fampahafantarana.


Isan’ny tena manahirana amin’izao, dia tsy maintsy mandalo any Frantsa ny mpandeha mivoaka an’i Madagasikara, indrindra ho any Eoropa, izay handaniana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar ny sidina Antananarivo-Paris. Tsy tokony hionona fotsiny amin’ny Air Madagascar, fa velarina ny sidina, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap