airtel

Actualités

14-janv-2021

Actualités

Madagasikara Nosokajian’ny WWF ho tompondakan’ny famotehana ala

Sample post image

Nosokajian’ny Tahiry maneran-tany momba ny fiarovana ny natiora sy ny

14-janv-2021

 

 

tontolo iainana (WWF) ho isan’ireo firenena 24 voalohany mafana indrindra amin’ny famotehana ala i Madagasikara. Mpamotika ala isan’ny ikoizana indrindra isika tao anatin’ny tatitra nampitondrainy ny lohateny hoe: “Les Fronts de deforestation: moteurs et réponses dans un monde en mutation”. Ho an’ny ala 43 tapitrisa hekitara maneran-tany potika teo anelanelan’ny 2004-2017, ny 700 000 ha no teto Madagasikara. Ny 2002-2019, nahatratra 1,3 tapitrisa hekitara ny ala may teto amin’ny firenena. Tsy mitsaha-miakatra ny antontan’isa, hoy ny WWF. Mbola tsy misy kosa ny tatitra feno momba ny velarana ala may tamin’ity 2020 ity, fa ny antontan’isa eo am-pelantanana dia manazava ny fahapotehana sy ny zava-misy. Mahatratra 67 351 ny teboka nisy ny afo hita amin’ny faritry ny ala. Tafiakatra hatrany amin’ny 386 379 raha ampidirina ireo mirehitra ivelan’ny ala. Antontan’isa ambony indrindra (record absolu) raha ampitahaina amin’ny 2017, 2018, 2019, hoy hatrany ny WWF. Mamboly hazo hatrany isika isan-taona, saingy mbola ambony noho ny voavoly no potika sy may ao anatin’ny doro tanety. Etsy ankilany, « Zana-kazo miisa 70 500 000 no efa voaomana hovolena amin'ity taom-pambolenkazo 2020-2021 ity ary nasiana tanin-jana-kazo avokoa teny anivon'ny Distrika sy Kaominina hatrany amin'ireo Fokontany sasantsany manerana ny nosy. Misy koa ny fametrahana Fitaratra ho an'ny Fambolen-kazo (Vitrine de reboisement) ao amin'ny Faritra Analamanga sy Itasy mba hanabeazana ny olom-pirenena amin'ny fambolen-kazo », raha ny nambaran’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy omaly.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap