airtel

Actualités

28-nov-2022

Actualités

Mahery Lanto Manandafy Hiakatra fitsarana eny Anosy anio

Sample post image

Ny 30 septambra 2022 teo no natao famotorana teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka ana habaka na cybercriminalité ny mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera,

28-nov-2022

Mahery Lanto Manandafy, rehefa notoriana teratany vahiny antsoina hoe Olivier Blancard noho ny resaka fanalam-baraka ity farany ho mpamatsy bala ireo dahalo eto amin’ny firenena, raha tsiahivina. Notononiny tao ihany koa fa teratany malagasy antsoina hoe Solondraibe Arthur Botomanonga, izay polisy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika tamin’izay no mpiara-miasa amin’ity teratany vahiny ity. Ny andron’iny 30 septambra iny ihany moa dia avy dia nidiana teny Antanimora I Mahery Lanto Manandafy na Malama. Taty aoriana dia niaraha-naheno sy nahita ny fiaikena avy amina mpitandro filaminana samihafa mikasika ny resaka fiparitahana basy tsy ara-dalana sy ny fahasahian’ireo olon-dratsy mifampitana tsy am-pihambahambana amin’ireo mpitandro filaminana mihitsy noho ny fananan’izy ireo fitaovam-piadiana raitra. Maro ihany koa ireo mpitandro filaminana namoy aina vokatr’izany fifandonana izany. Sesilany hatrany ny antsoantso nanoloana izany, na avy amin’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana io na mpanohitra fitondrana hoe “Avoahay I Malama!”. Vao tamin’iny herinandro lasa iny indray no nanamafy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria eto amintsika, Serge Gellé, fa tena misy tokoa izay fiparitahana fitaovam-piadiana eto amin’ny firenena izay. Fanontaniana nipetraka ary mbola mipetraka hatrany ny hoe tsy ny fanadihadiana mikasika izany ve no tokony natao vaindohan-draharaha teto amin’ny firenena nialohan’ny fanidiana am-ponja an’I Malama? Efa mba nanaovana fanadihadiana ve ilay teratany vahiny? Vetivety dia vita ny famotorana an’I Dr Ketakandriana Rafitoson, izay tale mpanatanteraky ny Transparency international, raha sahy nilaza fa ahiahiana ho feno kolikoly avo lenta ny fandraharahana Litchi eto Madagasikara. Na ny fampakarana ny raharaha teny amin’ny fampanoavana aza nijanona rehefa mafy dia mafy ny tsindry iraisampirenena nahazo ny fanjakana malagasy noho ny filingilingian’ny fanjakana malagasy nikitikitika ity tomponandraikitra amina sehatra iraisampirenena ity. Nanararaotra niteny ny sehatra iraisampirenena izay niaro azy moa ny naman’I Malama sasany hoe fa maninona no dia tsy mba nanao fanambarana toy izao koa ianareo tamin’ny raharaha Malama? Ankehitriny izany dia hiakatra fitsarana ihany ny raharaha Malama amin’ity anio 28 novambra 2022 ity rehefa notanana am-ponja nolazaina fa “vonjimaika” tao anatin’ny 2 volana latsaka kely. Mety ho nisy tsindry mafy be tokoa ve nahatonga ny fanapahan-kevitra? Miandry ny rehetra!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap