airtel

Actualités

05-oct-2021

Actualités

Maka Alphonse - Filohan’ny CFM « Ho olan’ny firenena ny olan’ny mpanao gazety raha tsy halamina»

Sample post image

Naneho hevitra eo anatrehan’ny olan’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao ny Filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFF) Atoa Maka Alphonse omaly.

05-oct-2021

 Nandritra io no nanehoany, fa “raha mikorontana ny asa fanaovan-gazety dia mety hiteraka voka-dratsy ao anatin’ny fiarahamonina sy hahatonga disadisa eto amin’ny firenena. Ilaina noho izany ny hisiana marimaritra iraisana sy fitoniana ao anatin’ny asa fanaovan-gazety, ao anatin’ny fanajana ny lalàna”, hoy izy amin’ny mpanao gazety sy amin’ny maha Raiamandreny Filohan’ny CFM azy. Nambarany fa voazarazara ny mpanao gazety noho ny firehana politika tsy mitovy ka samy mandrirotra amin’izay maha mety azy ireo, ary notsipihiny fa tsy hipoitra izay olana izay raha mipetraka amin’ny maha mpanao gazety azy ireo mpisehatra, ary manaja ny maha asa masina ny asany, hoy hatrany I Maka Alphonse. Tsy misy olana tsy ahitam-bahaolana rehefa misy ny finiavana amin’ireo ankolafy rehetra lasa niforona ao anatin’ny asa fanaovan-gazety, ary ny fiaraha-midinika ihany no vahaolana eo anatrehan’izany, hoy ny Filohan’ny CFM. Nisy moa omaly ny fanambarana nataon’ny Fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety sy ny Tambazotran’ny mpanao gazety mpikirakira ny trangam-piarahamonina sy mpanao fanadihadiana lalina eto Madagasikara (RFDIM), izay samy niantso ny hanemorana ny fifidianana Filohan’ny OJM kasaina hatao ny 16 oktobra ka handaminana ny savorovoro aloha.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap