airtel

Actualités

01-déc-2022

Actualités

Maki Andohatapenaka Saika hamidy 400.000 Ar ny iray kilao amin’ny taolam-paty

Sample post image

Tovolahy miisa 02 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP7 teny amin'ny toby fiantsonan'ny taxi brousse tetsy amin’ny Maki Andohatapenaka

01-déc-2022

omaly alarobia 30 novambra tokony ho tamin'ny 05 ora sy sasany maraina rehefa nangalatra taolam-paty.Taolam-paty avy any Toamasina any ireo tratra ireo raha araka ny fantatra. Teo Beforona izy roalahy ireo no niakatra ilay fiara ka harona gony no entana nentin'izy ireo. Vao nigadona teny amin'ny Fiantsonana Makis Andohatapenaka anefa izy ireo dia nosavain'ny Polisy avy hatrany ny mpandeha rehetra ka tra-tehaka tamin'izany ireo taolam-paty nentiny. Nambaran'izy ireo fa hamidy 400.000 Ar ny kilao amin'ireto taolam-paty ireto ary 50.000 Ar no anjaran'izy roa lahy ireto mitondra izany aty Antananarivo. Mbola hanaovana fanadihadiana mikasika izay tena ati-doha mikotrika izany izy roalahy ireto hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ireo taolam-paty nentiny avy any Toamasina
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap