airtel

Actualités

11-janv-2021

Actualités

Malagasy any Frantsa Tontosa tany Cachan ny nofon-kena mitam-pihavanana

Sample post image

11-janv-2021

 

Tanteraka soamantsara ny sabotsy 9 Janoary 2021 ny hetsika "Nofon-kena mitam-pihavanana" natao ho solon'ny fifampiharabana tratry ny taona vaovao izay nokarakarain'ny Firaisankina ara-tsosialin'ny mpiasan'ny masoivohon'i Madagasikara any Frantsa. Hetsika izay notanterahina tao amin’ny Foyer Universitaire Cachan. Sakafo efa voaomana miisa 250 no voazara. Anisan'ny nisitraka izany ireo mpianatra Malagasy izay monina ao amin’ny FUM sy ireo Malagasy namaly ny antso. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana Ramatoa Nivo Rajohnson vadin'ny Ambasadaoron'i Madagasikara any Frantsa Andriamatoa Rija Rajohnson. Toy izany ihany koa ny Ben’ny tanàna lefitry ao amin’ity tanàn-dehiben’i Cachan ity sy ireo ekipa niaraka taminy. Maneho indrindra ny fisaorana mitafotafo tamin’ireo rehetra niara-miasa sy nifanotrona, izay niara- nisalahy ka nahatontosa izany hetsika izany ny mpikarakaraka. Namerina sy nanamafy ihany koa ny fiarahabana tratry ny taona ho an’ny Diaspora Malagasy ary mirary ny taona 2021 mba ho feno fahombiazana sy fahasalamana ho an'ny isam-pianakaviana, indrindra indrindra izay tsy adino ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondra an'i Madagasikara, hoy izy ireo.

Toky R 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap