airtel

Actualités

15-avril-2021

Actualités

Mamono marary ny delestazy Niaiky ny lesoka ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA

Sample post image

Tena namono olona tamin’ireo toeram-pitsaboana valanaretina coronavirus, ary tsy vao omaly na afak’omaly,

15-avril-2021

 

 

 fa efa nisy izany teo aloha, saingy tsy mbola nahazo lesona ny Fitondrana. Vehivavy iray mitondra ny anarana Mii Ratsimbazafy no nijoro vavolombelona tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly, fa vokatry ny fahatapahan-jiro no nahafaty ny rainy. “Izaho dia hiteny etoana fa maro no milaza fa mandainga ny mpitaraina fa tapaka jiro teny amin'ny CTC Alarobia. Mijoro vavolombelona izahay Tompoko fa efa in-droa tapaka ny herinaratra tao amin’ny “batiment” nisy ny dadako. Ny voalohany aloha tsy naninona satria tsy sempotra ny mararinay fa tamin'ny alatsinainy teo, 12 aprily hariva tokony ho tamin’ny 6ora sy 30minitra dia tapaka indray ny jiro, ka tsy nandeha daholo ny “oxygène” rehetra, niha sepotra ny mararinay, ny dokotera tsy nisy “reaction” satria tsy avy aminy hono nahatapaka ny jiro, ni-“insiste” izahay hoe soloy “bouteille d'oxygène” izany rehefa tsy mandeha ny herinaratra, fa mijaly izy nefa mbola nilaza ny dokotera fa tsy misy “détendeur” indray hono. Niodikodina teo fotsiny izy tsy hitany izay natao, rehefa niteny izahay hoe "ho sanatriavina izany ve no andaozanay ny dadanay, resaka oxygène " vao nikoropaka izy fa afindra “bâtiment” dada. “Batiment B vers bâtiment D” rihana voalohany. Savolaina izy satria efa tena reraka be dia teny am-pibatana azy dia hitanay fa tsy mietsika intsony ny vatany, tsy mamaly intsony,... Tonga tao amin'ilay “batiment” izahay mbola “infirmier” 1 no hita tao ary izay izy vao niantso dokotera. Nataon'ny zareo tao famelomana an'i dada fa tsy tana ny ainy. Maro ny namoy ny ainy noho io resaka herinaratra io tamin'io andro io ka manaitra ny mpitondra fanjaka hijery akaiky ireny toeram-pitsaboana ireny. Soa lavo ahay hamindra fa aza minia tsy mijery ny zava-misy ianareo”.

NIAIKY SY NIALA TSINY NY JIRAMA

Fianjerena andrin-jiro lehibe mpitondra herinaratra 63 000 V teny Andralanitra no niteraka ny fahatapahan-jiro, hoy ny Tale Jeneraly Jirama Atoa Vonjy Andriamanga omaly. Nambarany fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy (automatique) ny milina mpihary herinaratra tamin’ny toerana fitsaboana covid-19. Niala tsiny ampahibemaso amin’ny anaran’ny Jirama sy amin’ny anaran’ny tenanny manokana, io Tale Jeneraly io. Napetraka ho tanjona stratejika ny fanoloana ny andrin-jiro tranainy. Noraisina ny fanapahan-kevitra ny handraisan’ny Jirama an-tànana ny famatsiana solika ireo milina izay nambara fa vaovao avokoa. Tsy efa tokony niomanan’ny Fanjakana hatry ny ela ve ny olana tahaka izao ? Fa ahoana marina ny fomba fitantana? Inona no maika sy laharam-pahamehana?

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap