airtel

Actualités

13-oct-2022

Actualités

Mampiaka-peo ny Antoko APM “Hanokafy fanadihadiana Parlemantera i Lanto R”

Sample post image

Nandefa taratasy miantefa amin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ny Antoko Politika Madio na ny APM manoloana ny fahatrarana fanondranana an-tsokosoko ireo hazo voamboana na “palissandre”

13-oct-2022

tany amin'ny faritra Alaotra Mangoro nahavoatononona ny depiote IRD Lanto Rakotomanga. Mitaky fanadihadiana lalina hatao amin'io solombavam-bahoakan’ny Boriborintany Faharoa eto Antananarivo io noho izany ny APM. “Sarotiny izahay amin'ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny fanararaotam-pahefana ataon'ny olom-boafidy na olom-boatendry. Noheverina mba ho modely sy ho fitaratra kanefa olom-boafidy mampivarina an-kady ka tsy ekenay izany ary takianay ny “enquête parlementaire” amin'ny fivorian'ny antenimera ho avy io”, hoy ity Antoko ity tamin’ny alalan’ny taratasy nosoniavin’ny Sekretera Jeneraliny Atoa Livarijaona Tafita Toussaints. “Aoka tsy ho adinoina ihany koa fa tsy vao androany no nahenoana ny anaran'io ramatoa io voatonotonona amin'ny karazana afera maizimaizina kanefa dia mangina ireo solombavam-bahoaka volomboasary maro an'isa ao anatin'ny antenimieram-pirenena. Ny loholona koa etsy andaniny dia tsy handrenesam-peo. Heverinay fa eo ambanin'ny lalàna daholo ny olon-drehetra tsy ankanavaka na iza na iza izy, ka anterinay ny fanokafana fanadihadiana lalina ary mangataka ireo mpitsara mahefa hanatanteraka ny asany an-tsakany sy an-davany, tsy hisy tsindry na teritery. Miandry ny tohin'ny fanadihadiana izahay ato anatin'ny fotoana fohy”, hoy hatrany ny APM. Ny mpamily nitondra ilay fiara aloha izany hatreto no any am-ponja, fa ny voatonontonona ho tompon’ny entana, izay toa nohampangain’ilay taratasy hafahafa tsy ara-dalàna manome alalana ilay fiara handeha malalaka hitatitra hazo amin’ny fotoana tsy voafetra milamindamina. Ialokalofana ny “immunité parlementaire” na zo tsy azo henjehina, kanefa zavatra tsy tokony hifandray akory ireo, raha tarafina amin’ny havesatry ny heloka sy fandikan-dalàna raha tena ampiharina ny lalàna. Lasa fieren-jiolahy sy ny mpanao afera mihitsy ve ny antenimiera? Azo inoana fa hampanao fanadihadiana parlemantera ny olony ve ny Vondrona IRD ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap