airtel

Actualités

25-avril-2022

Actualités

Manakambahiny Roalahy maty nianjeran'ny gonim-bary

Sample post image

Tovolahy kely miisa roa antsoina hoe : Manana sy Nantenaina , 18 sy 17 taona no maty nianjeran’ny vary 12 gony tao am-pivarotana,

25-avril-2022

ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy teo, teny Manakambahiny, kaominina Antananarivo renivohitra.Eo amin'izany Betsileo izany no hahafantaran'ny olona ny tsenan'izy ireo. Raha araka ny fantatra dia ao am-pivarotana ihany izy 2 lahy kely ireto no matory. Nataon’izy ireo teo ambonin'ireo gony ny kidoron'izy ireo. Nalahatr’ izy ireo nanara-drindrina sy nifanaingina anefa ireo vary tamin’ny gony. Tsy hay, hoy ireo mpiara-monina, na mety hoe, tezitra izy mirahalahy, satria tsy navela hamonjy soratra tany Ambatondrazaka ny ny Alakamisy teo, antony nanaovany izao fihetsika izao.Gaga ny mpanjifa tonga hividy zavatra eo amin'izy ireo ny maraina fa nihidy be ilay tsena. Tonga ihany koa ny anabavin'ny iray, izay tompon-tsena sady mitantana tsena hafa eny Ambanidia fa mbola tsy nandrenesam-baovao.Voatery nodondonina ilay tsena noho izany saingy tsy nisy namaly. Voatery nopitsohana ilay toeram-pivarotana noho izany ka indro tokoa fa, ny tongotry ny iray sisa no hita nipoitra fa tototry ny vary be teo am-pandriana izy mirahalahy kely. Any Antanamalaza Ambatolampy moa no nalevina ny razana taorian’ny fitsirihana nataon’ny BMH sy ny polisy.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy kely namoy ny ainy (Sary nindramina)
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap