airtel

Actualités

27-juin-2022

Actualités

Mananara Avaratra Olona enina naratran’ny afomanga

Sample post image

Namoa-doza ny afo manga tany amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra raha nilamina avokoa ny tany amin’ny faritra hafa rehetra raha araka ny vaovao azo.

27-juin-2022

Olona 6 mantsy no naratra ka lehilahy avokoa ny dimy tamin’ireo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy tafakatra ambony ilay afomanga ka niverina tamin’ny tany, ary nipitika tany amin’ireo olona ireo. Saika ny tanany, ny tarehiny, ny tongony no voa tamin’izy 6 mianadahy ireto saingy na izany aza tsy misy atahorana ny ainy. Raha araka ny fanazavan’ny manam-boninahitra iray tetsy Mahamasina omaly dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa izy ireo izy tanora manodidina ny 20 taona eo ho eo avokoa ny ankamaroany. Noho ny hamandoana be loatra tao amin'ny CEG hoy ny vaovao , toerana natokana hanapoahana ilay afomanga no nahatonga ny loza, izay tsiahivina fa mila toerana maina sy midadasika tsara ary ialana metatra maromaro fa tsy azo hakaikezina, eny fa na ho an’ilay mpanapoaka azy aza. Mikasika ny afomanga nalefa teny amin’iny faritra Atsimondrano iny ny harivan’ny 24 jona teo moa dia fantatra fa tranon’olona maromaro ihany koa ny nihozongozona indrindra fa ireo miorina amin’ny faritra iva ka nampitaraina ny maro.
Nangonin’i Pati
Legende : Mitera-doza ny afomanga rehefa tsy voafehy
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap