airtel

Actualités

28-nov-2022

Actualités

Manara-penitra petatoko tao Morondava Boriboriana ny resaka, iza no tompon’antoka ?

Sample post image

Nirodana ny sabotsy 26 novambra lasa teo ny tranoben'ny kolontsaina tao Morondava, araka vaovao avy any an-toerana, ary nohamafisin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

28-nov-2022

Ity fotodrafitrasa ity ilay efa nitriatra ny volana jona ary efa nanaovan'ny ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina fanamarihana fa tsy araka ny tokony ho izy ny nanorenana azy ary nisy ny tsy fahatomombanana ara-teknika avy amin'ilay orinasa nahazo ny tsena. Efa hatrany am-piandohana no nisy nitriatra rehefa vita, ary nambara ny sabotsy teo fa noho ny orambe sy rivotra no nampirodana azy. Raha ny sary sy ny fanamarihana anefa dia toa maina tsara ny andro, fa ilay fotodrafitrasa mihitsy no petatoko, ary ny alarobia teo no nisy rivotra nifofofofo sy orana, fa tsy ny sabotsy nirodanan’ny trano. Voalaza fa efa nanaovan’ny orinasa nanamboatra fiantohana ny fanarenana azy. Nambara fa tao anatin’ny fanombohana ny asa fanarenena ny orinasa no nitranga ny fianjeran’ny trano ka misy fitaovana fanamboaran-trano nambara fa tavela. Vitavita fotsiny amin'ny fanambarana sy fampitam-baovao ary fanamarihana tsotsotra ve ny zava-doza tahaka izao? Taiza ny fositra sy lesoka ary iza no orinasa nahazo ny tsenambaro-panjakana tamin’itony sa hodiana hafenina noho ny kiantranoantrano? Fantatra mantsy fa an’ny rahalahin’ny depiote IRD iray ato amin’ny Faritanin’Antananarivo ny orinasa nanao io asa tsy manjary sy nirodana io. Misy mihitsy ny mpandinika maneho fa tokony atao manakoako ny fisamborana ireo tompon'andraikitra sy ny fampiakarana Fitsarana azy ary ny sazy azony. Tsaroana tsara mantsy ny fisian’ireo olona nosaziana 10 taona an-tranomaizina fa hoe: nanimbazimba sy nanimba sekoly manara-penitra, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia ilay lazaina manara-penitra mihitsy no tsy nanjary ka nirodana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap