Tsy maintsy hijanona, ary hiverina hiditra amin’ny RIA. 89 ny vokatra tsy voazara ho an’Antananarivo. Hitombo ny fahatapahana mifandimby…”, hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneraly lefitra misahana ny herinaratra eo anivon’ny Jirama Désiré Marcel Randrianarisoa. Mahatratra 89MW ny tambazotra RIA. Raha 260MW eo ny filàna farantampony ho an’ny RIA, dia ho lasa 189 no afaka sitrahana amin’ny atoandro, ary 167MW kosa ho an’ny alina. Omaly kosa, nilaza ny Tale Jeneraly Rivo Radanielina fa ahafahana mampihena ny fandaniam-bola ny fahavitan’ny milina fahaefatra izay hampifandraisina amin’ireo telo sy hanaovana andrana ny 14-18 oktobra. Mihena ny fampiasana herinaratra ho an’Antananarivo rehefa faran’ny herinandro, antony nisafidianana ny fotoana. “Rehefa nodinihina, rehefa faran’ny herinandro no hanatanterahana ny asa satria amin’iny no kely indrindra no filantsika herinaratra, kely ny fahatapahana mifandimby izay tsy misy. Tsy hisy ny « black-out» na maizina tanteraka amin’ity indray mitoraka ity, hoy ny fanazavana. Rehefa hatambatra ny faharetan’ny asa, eo amin’ny telo andro eo raha haingana ary telo andro sy tapany raha ela indrindra. Hapetraka ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana mba tsy hisy fiantraikany amin’ny fandriampahalemana ny fahatapahana. Mila miomana ny rehetra satria tena hiantraika amin’ny asa aman-draharaha samihafa io. Andekaleka no hatanjaka indrindra eto Madagasikara rehefa tafapetraka io milina G4 voalaza fa hamokatra manodidina ny 33MW io. Ho foana amin’izay ary ve ny delestazy araka ny fampanantenana fa afaka 6 hatramin’ny 8 volana tamin’ny janoary lasa teo ?
Toky R
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”