airtel

Actualités

27-juin-2022

Actualités

Mandritsara Mpitrandraka volamena am-polony no tototry ny tany

Olona maromaro voalaza fa avy any Ankaramy sy Ambilobe no fantatra fa nanjavona tany amin’ny distrikan’i Mandritsara rehefa tonga mba hiady volana tao amin’ny Sahan'i Sahantona, kaominina Andohajango.

27-juin-2022

Ny alin’ny 24 jona lasa teo izy ireo no fantatra fa nandeha niady volamena izay miteraka resabe tokoa. Tsy mbola fantatra mazava mantsy ny tena isan’izy ireo fa ny entany mbola tavela eo ivelany no hahafantarana fa misy olona ao anatin’ilay lavaka. Misy ihany koa ny milaza fa tena mpitrandraka volamena ao an-toerana izy ireo. Misy indray ny milaza fa mpangalatra toerana izy ireo ary nanararaotra ireo tompon’ny tany natory saingy izao tra-doza izao. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay dia mbola hifampitadiavana ireo olona maromaro ireo. Fito metatra moa ny lavaka efa voahady hatramin’ny omaly ihany raha 12 metatra ny tena halaliny. Mahazaka olona hatramin’ny 20 isa io lavaka io hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny haben’ilay lavaka
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap