airtel

Actualités

23-févr-2021

Actualités

Manenjana ny fanjakana Handraisana fepetra ny Miara-manonja

Sample post image

Hisy fepetra horaisina mikasika ny Miara-manonja, raha ny nambaran’ny

23-févr-2021

 

 

Prefen’Antananarivo Jeneraly Angelo Ravelonarivo omaly. Ny fihetsiketsehana politika dia voarara, raha mbola io Miara-manonja io, dia miala tsiny aho, fa fanakorontanana, fiantsoana fankahalana, fanompana olona, ary izaho aloha dia miala tsiny aho, fa tsy mampihetsika ny volon-dohako, hoy io manamboninahitra io. Tsy fantatra mazava kosa izany fepetra sy fotoana hanaovana izany? Hisy ve ny fisamborana na koa fanakatonana haino aman-jery? Nambara fa “Acte préventif” na fisorohana no natao fa tsy “acte repressif” na famoretana. Tsy araka ny hoe nanao didy jadona nanapaka làlana, fa mba ho fisorohana ny fanakorontanana. Tsy manana zo raikitra amin’ny hanao hetsika eny Ambohijatovo na 13 mey ny solombavambahoaka. Voarakitra anaty lalàmpanorenana ny tatitry ny solombavambahoaka, ka efa nogiazana manokana ny eny Soamandrakizay, hoy ny Prefen’Antananarivo. Nilaza ny mpitandro filaminana, fa tsy nisy mersenera izany.

MIVADIKA HO TOLONA HIADIANA AMIN’NY JADONA

 “Ny vahoaka Malagasy mandoa hetra hanaramana mpitandro filaminana, dia ny mpitandro filaminana indray na manaporitra ny Malagasy. Mandranitra, manaporitra ny Malagasy amina tsy fitovian-kevitra ara-politika”, hoy ny Depiote Fidèle Razarapiera. Nilaza ity solombavambahoaka ity, fa tsy tolona no nokasaina hatao teny Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 mey, saingy rehefa niditra tamin’ireny fihetsika ireny ny Fanjakana, dia mivadika ho tolona hiadiana amin’ny jadona eto amin’ny firenena ny raharaha. Nilaza ny hanohy ny tolona ireo mpitarika ny Miara-manonja, ary niantso ny mpanara-dia azy hanaraka hatrany ny toromarika. Milaza tsy hihemotra amin’ny tolona, fa vao manomboka izany ny Miara-manonja, ka dia andrasana indray izay hiseho.

Toky R 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap