airtel

Actualités

14-nov-2025

Mangotraka ny raharaha 11 miliara CNaPS-SMGD

Tafakatra 14 ireo voarohirohy natolotra ny PAC

Sample post image

Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny

14-nov-2025

Kaominina Antananarivo tamin’ny alalan’ny orinasa monisipaly SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) tamin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) ny febroary 2021. Tsy voaverina ara-potoana ny 7 miliara Ar efa miaraka amin’ny zanany 7%, ka nahatonga ny CNaPS nanapa-kevitra haka ny SMGD ho azy 100%, izay hiakatra tribonaly ara-barotra ihany koa anio raha tsy misy ny fiovana. Taorian’ny fanadihadian’ny BIANCO, natolotra ny Fitsarana omaly ireo voarohirohy am-polony mahery. Mahatratra 14 ireo tompon’andraikitra voaantso sy niakatra teny amin’ny tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC eny 67Ha omaly tolakandro. Araka ny efa noteterina teto omaly, anisan’ireo voarohirohy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Harilala Ramanantsoa, ny Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha Mamy Rakotondraibe, ny Tale Jeneralin’ny SMGD Thierry Andriamanony, ny vadin’ny ben’ny tanàna teo aloha Claudia Pichler Andriantsitohaina,… « Raha mandeha araky ny lalàna ny fandinihana azy io dia tsy ho tonga amin’ny fanagadrana olona. Efa nitory tany amin’ny Tribonaly ara-barotra ny CNaPS, ary efa nilaza fa vonona handoa izany ny SMGD », raha ny filazan-dRtoa Lalatiana Ravololomanana, mpanolotsaina monisipaly isan’ny niaro fatratra ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina tamin’ny fotoan’androny. Ity farany izay efa nitory mpanolotsaina 6 noho ny ambarany fa filazam-baovao diso tamin’izany fotoana ka tafiditra tamin’izany ny resaka SMGD. Raha tsiahivina fohy ny tantara hafa, rehefa tonga ny PDS Ramanambita Richard (efa nodimandry ny septambra 2024) ny martsa 2024 dia nandray fanapahan-kevitra hamerina amin’ny CUA ny fitakiam-bola, ka isan’ny nitsivalana sy nitory Rtoa Lalatiana Ravololomanana,… Nitondra inona tamin’ny Kaominina ilay 11 miliara izay ny volam-bahoaka sy ny hetram-bahoaka no namerenana azy ? Nangina teny ny raharaha tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina, saingy io mifoha io, dia lasa avadika ho resaka valifaty politika. Nisy ireo andian’olona tonga nilanja sora-baventy sy niantsoantso ny hoe : Avoay Harilala ,Avoay Claudia , Avoay Rinah. Hatreto tsy mbola misy fanamelohana ary mbola mitoetra ny « présomption d’innocence », saingy efa mandeha ny fivoizana fa valifaty politika, tsy misy hidiran-dranona na ranona ny raharaha,… Mbola ao anatin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana isika amin’izao ary andrasana izay fanapahan-kevitry ny PAC, fa raha hivim-baovao azo lazaina dia re fa tena misy ny vesatra heverina henjana sy porofo mahasaringotra ireo voarohirohy, eny fa na ireo lazaina ho tsy manan-tsiny aza. Ny mpitsara anefa no tompon’ny teny farany, ary hatreto dia mbola mitoetra ny zo amin’ny maha mbola tsy voaheloka.
NATAO FANDOARANA VOLA, NANANA OLANA HATRANY IREO MPITANTANA
Mikasika ny CNaPS, zary natao fakana vola, ka Rtoa Haingo Ravatomanga voalaza fa naka 7 miliara Ar, ny SMGD 11 miliara Ar, ny Air Madagascar nakana vola nividianana ny petra-bolan’ny Air Austral,… Nisy olana avokoa ireo Tale Jeneraly nifanesy talohan’ny ankehitriny. Arizaka Rabekoto Raoul Tale Jeneraly talohan’ny 2019, nohelohin’ny Fanjakana Rajoelina higadra an-terivozona 10 taona sy handoa lamandy 500 tapitrisa ariary Mamy Rakotondraibe voatendry ny novambra 2019, efa naiditra am-ponja vonjimaika ary io mbola isan’ny voarohirohy ankehitriny io. Joslina Tsaboto Tale jeneraly vonjimaika ny volana aprily 2022, napetraka am-ponja vonjimaika tamin’ny volana jona 2023,...
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap