airtel

Actualités

18-sept-2025

Marcel Razafimahatratra

«Tombontsoa ho an’ny gasy ny manova izao gaboraraka izao!»

Sample post image

Ekeo fa tombotsoa ho an'ny gasy ny manova izao

18-sept-2025

gaboraraka sy tany tsy misy fanjakàna izao, hoy ny mpikatroka eo anivon’ny antoko politika MFM, Marcel Razafimahatratra! Izao kolikoly avo lenta mandifotra firenena izao, hoy izy! Izao fitsarana tsy milaza ny marina fa manome vahana ny mpanambola izao. Izao fangalarana tany sy fanotofana ny tany iveloman'ny olona izao. Izao halabato sy tsindrin’ny be sandry izao. Izao tsy fandriampahalemana mandrakotra ny tany izao. Izao amboletra sy famonoana olona atao mikasika ny base toliary izao. Izao tsy fisian'asa mambotry saina ny tanora izao. Izao ramatahora isak'izay mihetsika izao. Izao fanampenam-bava tsy misy farany izao. Izao didin'ny be sandry ataon'ny mpanam-bola sy ny mafia mialokaloka eo ambany elatry ny fitondrana izao. Izao fijaliam-bahoaka mikasika ny JIRAMA izao. Izao vavabe atao amin'ny vahoaka io izao, hoy hatrany ny tenany namaly ny nambaran’ny filohan’ny antenimierandoholona, Ny Jeneraly Richard Ravalomanana, hoe «Tsy mahasoa antsika ny tranga toy ny ao Népal.».
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

11-août-2026

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

Card image cap
11-août-2026

Marc Dillard, diplaomaty efa za-draharaha

Card image cap
11-août-2026

maty nianjeran'ny tamboho

Card image cap
11-août-2026

mponina ireo mpivarotra manodidina

Card image cap
10-août-2026

Firenena handresena ny haizina

Card image cap